Hetsika teny Tanjombato – Natolotra an’i Thierra Bruno ny tolo-tanana ho azy

Isambilo

Afak’omaly no nanolorana an’ i Thierra Bruno, ny tolo-tanana izay natao ho azy, nandritra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao, izay nataon’ ny antoko Tim Atsimondrano tao amin’ny Magro Tanjombato, ny sabotsy lasa teo. Nisy ny tolo-tanana natao ho an’ity mpanakanto ity nandritra io fotoana io, navitrika nanome izay voatsirambin’ny tanany, ireo mpikatroka Tiako i Madagasikara tonga teny an-toerana tamin’io fotoana io.

Ny hiran’i Thierra « tokoa dia anisan’ny fampiasan’ny mpitolona ao amin’ity antoko ity amin’ny hetsika ataony, raha tsy hilaza afa-tsy ny hira : «tianao va ? », Ravoromanidin’irony… ».

Nanolotra izany fanampiana izany ho an’ity mpanakanto ity, nisolotena ny maro, ny depiote voafidy tao Atsimondrano, Alain Ratsimbazafy sy ny mpanentana: Anja. Ny gazety Ny Valosoa Vaovao dia mirary fahasalamana ho azy ihany koa.