Vehivavy TIM Analamanga – Ao amin’ny Magro Behoririka no hankalazana ny 8 martsa

Niaina/ Fanja Aina

Anisan’ny handray anjara amin’ny fankalazana ny 8 martsa, andro eran-tany ho an’ny vehivavy rahampitso alarobia koa, ny Vehivavy TIM Analamanga araka ny nambaran’ny filohany: Arphine Rahelisoa omaly, tao amin’ny fandaharana Dinika, ny fahitalavitra MBS, sy efa nambara ihany koa tamin’ireo mpikatroka Andriambavilanitra ao amin’ity antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana ity. Vavaka, famelabelarana arahina ady hevitra momba ny zo sy ny andraikitry ny vehivavy eo amin’ny fiaraha-monina, sy eo amin’ny fiainam-pirenena no anisan’ny hatao amin’izany ao amin’ny kianjan’ny Finoana. Hisy avy eo ny fanentanana ny olona hiditra ao anatin’ny listry ny mpifidy hataon’izy ireo eto an-drenivohitra, satria zava-dehibe loatra ny fifidianana filohampirenena ho avy io, hanovana ny tsy rariny misy eto amin’ny firenena, sy hialana amin’izao fahasahiranana sy krizy lalina mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao.

Mahakasika izay fankalazana ny andro manerantany ho an’ny Vehivavy izay ihany fa tany amin’ny Faritra Atsinanana. Ny Sabotsy 04 Martsa teo, nanatanteraka fotoam-pivavahana iraisam-pinoana, tao amin’ny Fiangonana Anglikanina Katedraly Santa Jakôba, izay notarihan’ireo Ray amandreny FFKM, ny tany an-toerana, mba ho fangataham-pitahiana ho an’ireo Vehivavy. Rahampitso alarobia, filaharambe hataon’ireo Andriambavilanitra sy ny fikambanan’izy ireo, no anisan’ny hanamarihana izany any amin’ny Araben’ny Fahaleovantena any amin’ny renivohitry ny faritra Atsinanana, anisan’ny handray anjara mavitrika amin’izany ny Vehivavy TIM sy ny Vehivavy RMDM.