Ny Valosoa
“Tai-javatra fotsiny isika fa tsy mbola tena mifoha. Ho avy ny fotoana, mety tsy mandritra ny fahavelomako, fa izaho mino fa ho avy ny fotoana hifoha tanteraka ity firenena ity, ka tena hahalala hoe inona ilay ilainy ary ho aiza izy’”, hoy ny nambaran’ny mpandalina tantara Harilala Ranjatohery, no sady mpampianatra sy akademisiana, raha namaly ny mpanolotra Avotra Solondraibe tao anaty ny fandaharana Dinika ny alatsinainy 13 martsa 2023, rehefa nanontaniana ny heviny mikasika ny fitarainana sy feo mitaky fanovana eo amin’ny rafi-pampianarana sy ny fitaovana.
Nanao fampitahana ny tenany amin’ny samy ankizy eto amin’ny firenena sy ny tany mandroso, nanamarika ny tsy fitovizana tanteraka eo amin’ny lafiny famolavolana ny sain’ny ankizy, raha tsy hiresaka fotsiny ny fitaizana sy fandrafetana ny saina amin’ny alalan’ny teknolozia. Ny firenena mandroso, raha toa ka tojo eo amin’ny fenitra misy azy dia noho ny dingana nolalovany, izay vokatry ny fanapahan-kevitra nosafidin’ny olom-pirenena, safidy iombonana handroso sy hiavotra. Ny eto amintsika raha eo anivon’ny tantara dia misy mandrakariva ny hafanampo hanapa-kevitra. Ohatra rehefa tsaroina ny tarazon’ny rafi-pampianarana nolovaina nandritra ny fanjanahantany, nandritra ny repoblika voalohany, ka noantsoantsoina hoe sekoly miangatra ary nitarika ny fionganan’ny fitondrana, fanapahankevitra lehibe izany hoe fanagasiana ny fampianarana. Naharesy lahatra olona maro izany, ary nirosoana nentanin’ny ambompom-pirenena, ary dia niroso tokoa. Nefa taty aoriana indray, nisy zavatra hafa nitranga indray, dia nalevina ary nabokaina mihitsy hoe fototry ny fahavoazana. Dia misy fahatairana indray, ary fanapahan-kevitra hafa indray no irosoana.
Mampiseho izany fa ny fanapahankevitra raisintsika eto amin’ny firenena dia tsy mitarika ho any amin’ny fitohizan-javatra amina vanimpotoana lava fa ateraky ny fahatairana eo amin’ny fisehoanjavatra anankiray. Tsy tena misy zavatra iorenany, tsy tena misy vina. Izay vina izay no tena olana eto amintsika. Tsy olona io, tsy fitaovana io, tsy vola io fa ny tena fahalalantsika malagasy hoe inona no tena ilaintsika. Tia ho tonga inona isika. Ary ny valin’izany fanontaniana izany dia mitaky fiombonana, mitaky fifanantonana, mitaky fahatsiarovantsaina, fahatsiarovantena.
Raisina ohatra ny tao Rwanda izay nanjakan’ny ady an-trano, nifamono ny samy Rwandais. Fa tonga saina ry zareo hoe nahoana isika no hoatr’izao, nahoana isika no ataon’ny vahiny hoatr’izao, nahoana isika no miady hoatr’izao. Hitantsika anefa ny zavamisy ankehitriny. Rehefa nifoha ilay firenena dia teraka ny fifanantonana, dia lasa afaka nifampifehy, nifampandroso, nanjary saro-piaro amin’ny fandrosoan’ilay firenena. Dia lasa io Rwanda mihazakazaka eo amin’ny fandrosoana.
Araka izany dia manambara ny mpandalina tantara Harilala Ranjatohery fa: “Tai-javatra fotsiny isika fa tsy mbola tena mifoha. Ho avy ny fotoana, mety tsy mandritra ny fahavelomako, fa izaho mino fa ho avy ny fotoana hifoha tanteraka ity firenena ity, ka tena hahalala hoe inona ilay ilainy ary ho aiza izy”.