Ny Valosoa
Nisy ny fanambarana nataon’ny sampana anarahamaso ny fifidianana Safidy na “Sampana Anarahamaso ny Fifidianana, Ivon’ny Demokrasia Ifarimbonana)” nandritra ny valandresaka tamin’ny mpanao gazety ny faha-16 marsa 2023, vokatry ny tetikasa “Safidy maharitra” tohanan’ny Vondrona Eoropeana, ary norafetin’ny Ivotoerana SAFIDY sy ireo firaisamonim-pirenena mandrafitra azy : AIM, AVG, CEDII, DRV, FTMF, ONG Ivorary, MSIStatao, PFNOSCM-Vohifiraisana, ONG Ravintsara ary YMCA.
Araka ireo fanaraha-maso nataon’ny SAFIDY,dia tsikaritra ireto teboka manaraka ireto:
- tratra hatreo amin’ny faha 67% (loharano CENI ny 1 febroary 2023) ny tanjona napetraky ny CENI hanoratra mpifidy miisa 13,5 tapitrisa. Fe-potoana fanisana izay nitarina iray volana raha noheverina ho tapitra tamin’ny 31 desambra 2022.
- eo anivon’ireo distrika nanaovan’i SAFIDY fanaraha-maso:
- 61% amin’ ireo mpifidy no voasoratra tao anatin’ny lisitry ny mpifidy hatramin’ny faran’ny volana janoary 2023
- 13% amin’ ireo distrika ihany no nahatratra mihoatra ny 75% ny tanjona napetraky ny CENI, ary 17% (eo anivona fokontany miisa 1502) amin’ireo distrika dia tsy nahatratra akory ny antsasan’ny tanjona napetraka.
Ho fiatrehana ny fanaraha-maso ity fanavaozana ny lisitry ny mpifidy ity, ny Sampana Fanarahamaso Safidy dia nametraka fomba fiasa toy izao:
- Nifarimbona tamin’ireo mpanaramaso miisa 1203 izay avy amin’ny fikambanana 387 hiantsoroka ny asa fanarahamaso eto amin’ny nasionaly, faritra, distrika ary Kaominina, ka, ny 40,2% tamin’izany dia vehivavy raha 57,3% kosa ny tanora latsaky ny 35 taona.
- Nametraka tambajotra ara-kajy mirindra hikirakirana ireo antontam-baovao avy amin’ireo mpanara-maso avy eny ifotony sy ivon-toerana handraisana antso mivantana, ary, fandraiketana an-tsoratra ireo angom-baovao.
- Ekipa teknika izay mamakafaka sy mandrindra ary mikarikira ireo antontam-baovao voaangona.
Ny Sampana fanaraha-maso SAFIDY dia nanatanteraka fanaraha-maso tao anatin’ny distrika miisa 108 tamin’ireo distrika miisa 119 izay misandrahaka ao anatin’ireo faritra miisa 23 sy kaominina miisa 482 eto Madagasikara.
(Fanambarana teny malagasy)
https://safidy-observatoire.net/SAFIDYcommuniqueVM.pdf
(Communiqué version française)
https://safidy-observatoire.net/SAFIDYcommuniqueVF.pdf