Andry Tsiavalona
Tsy takona hafenina intsony fa mitady tena tsy hisy afaka manao hetsika sy maneho hevitra ary manakiana intsony eto amin’ity Firenena ity, amin’izao faramparan’ny fitondrana Rajoelina Andry izao. Mitovy tsy misy valaka tamin’ny tetezamita ny toe-draharaha politika amin’izao fotoana izao.
Tsara ampatsiahivina koa anefa fa fony tao anatin’ny fanoherana ireo manampahefana ao anatin’izao fitondrana izao dia nanisika tao an-tsain’ny teo amin’ny fitondrana Rajaonarimampianina Hery, fa zo fototra maneran-tany ny fahazoana manao hetsika sy maneho hevitra na aiza na aiza toerana. Azo lazaina anefa fa azo isaina amin’ny ratsan-tànana ny fanakanana hetsika sy fisamborana mpanao fihetsiketsehana na mpaneho hevitra nandritra ny Repoblika III-1. Tsy nisy koa izany mpandraharaha nanao asa fanamboarana fotodrafitrasa sy mpianatra ary mpiasa eo anivon’ny sampan-draharaham-panjakana, ka tsy voaloa ny tambin-karamany na karamany na ny vatsim-pianarany. Vitsy ihany koa ny fampidirana am-ponja olompirenena mpanao politika, na maneho hevitra na mpampaneno lakolosy, na manao hetsika an-dàlambe.
Tao anatin’ny volana vitsivitsy dia iaraha-nahita ny fanasaziana aman-taonany ny mpanao gazety sady politisiana toa an’i Rolly Mercia, mpandraharaha sady mpanao politika Rajaonah Mbola, izay mbola nanaovana fisavana indray ny tranon’ny fianakaviany andro vitsy lasa izay. Tsara tsiahivina ihany koa i Malama, sy i Berija, sns,… Vao omaly ny omaly indray dia nampidirina am-ponja ny filoha tale jeneralin’ny gazety mpiseho isan’andro, La Gazette de la Grande Île, izay nanaitra ny mpisehatra eo anivon’ny serasera, satria toa tsy dia mitanila loatra aza ny asa soratra satria toa voatsikera ao avokoa na ny eo amin’ny fitondrana na ny mpanohitra, izay heveriny fa mibirioka amin’ny làlana tokony hizorany.
Raha ny fantatra ihany koa anefa dia manana namana ao amin’ny fitondrana tena afaka manome baiko ny sehatra rehetra ity filoha tale jeneraly ity kanefa dia nidoboka ihany. Raha ny vaovao mivoaka amin’ny gazety ihany dia fitakiam-bola tsy ara-drariny no nampidirana azy any am-ponja. Raha ireo toe-javatra ireo no dinihana dia mivadibadika sy misafotofoto ary mihodina valopolo ambizato degre mihitsy ny toerana misy ny olompirenena, na politisiana na mpanao gazety na olon-tsotra araka ny toe-draharaha politika iainana. Tondro molotra ataon’ny manampahefana iray dia ampy hampiditra olompirenena am-ponja, na dia tsy mbola nisy famotorana teo anivon’ny polisim-pirenena na ny zandarimaria aza. Tsy mahagaga loatra ny tranga misy satria na ny mpiara-dia sy mpiray petsapetsa nandritra ny fotoana lava aza dia mifamingana sy mifanenjika amin’ny vanim-potoana iray noho ny fitiavan-tena sy ny fialonana ary ny fiarovan-tena rehefa mahatsiaro fa voakitikitika ny tombontsoa.
Rahampitso Alarobia 29 Martsa dia fahatsiarovana ny faha-eninambiefapolo taonan’ny tolom-panafahana nataon’ny Malagasy tia Tanindrazana tamin’ny taona 1947. Tombotsoam-pirenena sy fikatsahana ny famotsorana ny Firenena teo amin’ny fanagejan’ny mpanjanaka azy ny tolona tamin’izany dia nisy ny mpamadika noho ny fitiavan-kely. Nitohy izany famadihana ny mpiray Firenena sy fivarotana ny Tanindrazana izany taorian’ny namerenan’ny mpanjanaka ny fahaleovantena ary tsy mbola mifarana hatramin’izao Repoblika IV-II izao. Na ny samy tandapa sy mpiray làlana ary mpiray tsikombakomba aza dia mifanenjika sy mifankahala ankehitriny ary mivarotra fanahy dia ilaozan’ny fahendrena sady tsy afaka manavaka ny tsara sy ny ratsy intsony. Lesona ho an’ny rehetra mpisehatra eo amin’ny fitantanana ny Firenena sy mpanohitra mahita sy mahatsapa ny fahantrana sy fahoriana ary ny fibolisaran’ny mpitondra amin’izao fotoana izao, ny tranga rehetra ka tsy maintsy hisaina sy handinika ary hijery tsara izay hasiana ny tongotra, mba tsy hanitsaka hoditr’akondro, ka hibolisatra sy hikarapoka ary tsy ho tafarina intsony.