Fihaonamben’ny FFKM – Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana no nanokafana izany

Isambilo

Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana no nanokafana ny fihaonambe mandritra ny 3 andro an’ny FFKM: Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara omaly, fanokafana ny fihaonambe natao tao amin’ny FJKM Ambohipanja Fitiavana Ankadikely Antananarivo Avaradrano. Ao anatin’izany fihaonambe izany no hibanjinana ny lohahevitra: “Jereo fa omeko fahefana ianao anio amin’ireo firenena sy fanjakana mba hanongotra sy hanjera, hanapotika sy handrava, ary hanorina sy hamboly indray.” Jeremia 1/10 DIEM.

Ny FFKM dia manao antso avo ihany koa amin’ny fisoratana anarana anatin’ny lisi-pifidianana, ny fanamarinana ny anarana anaty lisi-pifidianana ary ny fahatongavana handatsa-bato amin’ny androm-pifidianana. Ny fahamarinana no manandratra ny firenena. Miombona amin’izay mandeha amin’ny fahamarinana ny FFKM ary manohitra izay manohitra ny fahamarinana, anisan’ny nisongadina tamin’ny toriteny nataon’ny mpitarika izany dia ny filohany ny mpitandrina Dr Irako Andriamahazosoa Ami. Niatrika izany koa ireo filoham-piangonana 3 hafa dia ny avy amin’ny EKAR Mgr Odon Razanakolona, ny avy amin’ny FLM Dr Rakotozafy Denis ary ny avy amin’ny EEM Mgr Ranarivelo Samoela Jaona. Maro koa ireo olo-manakaja niatrika izany, nahitana ny filoha Marc Ravalomanana, ny filoha Hery Rajaonarimampianina, ny filoham-panjakana teo aloha Rivo Rakotovao, ny filohan’ny CENI Dama Andrianarisedo, niatrika izany koa ny avy amin’ny fitondrana mpanatanteraka, nahitana ministra ao amin’ny governemanta,…