Nangonin’ny Ny Valosoa
Mitondra ny heviny mahakasika ny fahatsiarovana ny faha-76 taonan’ny tolom-panafahana tamin’ny 29 martsa 1947, Hery Rasoamanana, Malagasy any Dilambato:
Izay mankalaza ny “29 Martsa” nefa mpampahantra ny vahoaka sy ny firenena ankehitriny na dia manana fahefana aza dia mpanivaiva sy mpamadika ny tolon’ny Tia tanindrazana malagasy! Mpamadika ary mpisoloky. Tsy tia tanindrazana satria faran’izay mahantra isika ankehitriny. Andro fisaonana. Andro ahatsiarovana ireo nanao ny ainy tsy ho zavatra rehetra tamin’ny famerenana ny fiandrianam-pirenena, eny andro fandinihin-tena hanovozan-kevitra enti-mampandroso ny firenena ny 29 Martsa raha ny hevitro.
Tsy “fankalazana” na fanaovana kabary ambony vavahady etsy sy eroa sanatriavin’ny vava… Aiza ho aiza isika ankehitriny? Aiza ho aiza ny firenena? Firy ireo mizaka ny zom-pirenena Malagasy, ka nitondra na mitondra ity firenena ity ary mitohy mampahantra ny vahoaka malagasy? Faha firy amin’ny firenena mahantra eran-tany tokoa moa isika ankehitriny? Fanambaniana ary fanesoana ny maty noho ny tanindrazana tamin’ny Martsa 1947 sy ny talohan’izay na taorian’izay no misy ankehitriny.
Nahoana? Tsy mba namitaka na nanao ronono an-tavy ireny mpitari-tolona tamin’ny “raharaha 1947” ireny, fa nahitsy ary nihevitra ny soa hoan’ny mpiray tanindrazana aminy no laharam-pahamehana tamin’izany. Tsy nambotry ny mpamboly na nangalatra tany na namboly risoriso izy ireny tompoko! Jamba ny mason’izay tsy mahita ny fahoriana mianjady amin’ny malagasy amin’izao fotoana hamakianao izao soratra izao. Jamba ary voan’ny fandraikiraikena avolenta: “Ra-lainga sy ra-risoriso”. Raha ny voalazan’ny mpanadihady ny “raharaha Martsa 1947” dia mihoatra ny 89000 ny isan’ny malagasy novonoin’ny voanjo ankolaka na mivantana. Hilaza isika fa tsy misy famonoana olona mivantana intsony ankehitriny. Marina tokoa izany saingy ny “famonoana” olona tsy azo lavina dia ny famonoana ny eritreriny, famonoana ny maha izy azy amin’ny alalan’ny fambolena fahantrana atao aminy: fampiakarana ny vidin’entana tsy voafehy noho ny tsy fahaiza-mitantana, fampanantenana poakaty, fanaovana drafitr’asa tsy mifanentana amin’ny fiainany andavanandro na tsy tokony ho laharam-pahamehana akory, fanondranana harena antsokosoko tsy misy bedy …
Ho mpiray tsikombakomba amin’izy ireo ary ve ianao? Sanatriavina izany, hoy ianao … Diniho tsara anefa. Raha mbola tsy sahy mijoro isika manoloana ny herisetra sy ny fampitahorana ankolaka ataon’ny mpitondra na ny mpanohana ny mpitondra ankehitriny dia mpiray tsikombakomba aminy. Hanontany ianao, ohatra, hoe misy herisetra ve ankehitriny? Eny tompoko. Firifiry ny olona mitaraina ary tsy mahazo rariny amin’ny fanaovana taratasy sandoka ny taniny? Ohatra herisetra izany… Inona ary no azonao atao ankehitriny? Manala ny “omby mitondraka eo amin’ny volinao”! izay aloha satria izay no lalana haingana indrindra ary heverinay fa mahomby. Amin’ny fomba ahoana? Fanalana amin’ny fomba mihaja sy mifanaraka amin’ny lalàna velona: amin’ny alalan’ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy haha very zo anao dia mandehana misoratra anarana any amin’ny fokontany ho isan’ny mpifidy ianao! Mitambara manazava amin’ny hafa ny tokony hatao rehetra amin’ny fanarahamaso ny lisi-pifidianana sy amin’ny andro fifidianana.
Tsarovy fa ny tia tanindrazana dia “velona ho an’ny hafa”. Dradradradrao ary mijoroa vavolombelona amin’ny seho hitanao na ny tsy rariny fantatrao. Rehefa tsy mandray ny andraikiny ny mpitandrofilaminana dia manatona mpanao gazety na haino aman-jery fantatrao. Mandeha amin’ny ara-dàlana isika, fa raha mitohy mafy sofina ireo dia ho tonga ho azy ny “angaredona” … Mijoroa, misorata anarana ho isan’ny mpifidy. Tairo ny zoky, entano ny zandry. Ampio ny tsy mahay manoratra ho isan’ny mpifidy. Tsy ho raraka ny “ilo mby an-doha” napetrak’ireo Tia tanindrazana talohanao rehetra, raha vonona ianao. Inoako marimarina fa tsy isan’ireo ” tia kely” ianao na ho isan’ireo “jamban’ny vary iray lovia na iray kapoaka”. Aza mety fitahin’ny mpambotry firenena ankehitriny!