Fiainan’antoko – Tafajoro ny biraon’ny Jeunes TIM Talatamaty

Niaina

Tafajoro ny faran’ny herinandro teo ny birao mpitantana ny tanora n any Jeunes TIM Talatamaty ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Ny sabotsy teo ihany koa no natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny COM-TIM ao an-toerana, izany birao vaovaon’ny Tanora TIM ao an-toerana izany.

Filoha : RARIVOSON Zo.
Filoha lefitra : FIFALIANARAHARIMALALA Fitiavana.
Mpitambola : RAHANTARIMANANA JENNY.
Mpitan-tsoratra : ANDRIANATOANDRO Andonantenaina Volana Veronique Mamitiana.
Mpanolo-tsaina : RAFANOMEZANTSOA JIMMY sy
RAZAFINDRATSIMBA LALAINA NIRINA.

Nisongadina nandritra ny fandraisam-pitenenana tamin’io fotoana io, fa hanohy ny fanentanana ireo olona tsy mbola nisoratra anarana amin’ny lisitry ny mpifidy, hanatona ny fokontany, ny birao mpitantana ny tanora TIM Talatamaty. Niantso ko aizy ireo ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko, hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena indray, hanavotra ny firenena Malagasy, sy ny vahoaka ao amin’ny izay tena sahirana tokoa amin’izao fotoana.