TIM Vavatenina – Nanao asa tanamaro fanaovan-dalana tany Antanamarina

Isambilo

Nisy asa tanamaro nataon’ny antoko TIM: Tiako i Madagasikara, tany Antanamarina distrikan’i Vavatenina faritra Analanjirofo, tamin’ity herinandro ity. Nisy arak’izany ny fanamboarana ny lalana tany an-toerana izay nataon’izy ireo, izany ihany koa dia ahatsiarovan’izy ireo ny filoha Marc Ravalomanana, izay manana fanamby: ”amboary ny lalana eto Madagasikara”, nahavitany lalana hatramin’ny 9000 km tamin’ny fotoana nitondrany.

Izao asa tanamaro izao no natao, hoy ny mpikarakara dia mba hanalana fahasahiranana ny mponina, araka ny nambaran’ny mpitarika ny antoko TIM any Vavatenina, Andriamatoa Flavien Vavatenina. Taorian’ny asa niaraha-nanao dia niaraka nisakafo tamin’ny lambanan-dravina ny rehetra, araka ny fomba Betsimisaraka.

Fanambin’ny TIM any an-toerana, ny hanohy ireo asa efa nataon’ny filoha Marc Ravalomanana, ary vonona izy ireo hijoro, ho famerenana ny filoha nasionalin’ny antoko TIM eo amin’ny fitondrana indray.