Beharo
Tena sarotra ny fiainana eto amintsika amin’izao fotoana, noho izay antony izay, mivelona amin’ny sitrany ahay ny ankamaroan’ny Malagasy.
Hita sy tsapa amin’izao fitondrana Rajoelina izay fitondrana FENITRA diso làlana izao, fa midangana tokoa ny fanararaotana, mivelona amin’ny “SITRANY AHAY “avokoa ny ankamaroan’ny maro eto amin’ny firenena. Ny fikaroham-bola izay atao hoy ireo izay nanipy hevitra, dia mifantoka amin’ny sitrany ahay hatrany, noho izao fisondrotan’ny fiainana izao, izany hoe na ny mpivarotra na ny mpanjifa dia samy mikafiry vola avokoa, ka ny andaniny raha mivarotra dia voatery manondrotra ny vidin’entana ho lafobe tokoa, satria hono mbola handoa vola eny amin’ny Jirama, ny hofan-trano, ny zava-pihinana, ny fitaterana sy ny anjaran’ireo zanaka, ka voatery manondrotra ny vidin’entana mba ho sitrany ahay… Ireo mpanjifa koa raha miantsena dia miady varotra be na mividy izay kely azo fotsiny ihany, satria toy ny rano ny fivoahan’ny vola, ka tsy ampy raha tsy manao kahihitra hatrany, mibanjina ny sitrany ahay koa.
Ny vidin-javatra ilaina isan’andro dia nisondrotra lafobe avokoa amin’ny ankapobeny, ka rehefa mikarakara ny ao an-tokantrano, dia ny sitrany ahay hatrany no mibahana ao an-tsaina, ka na ny siran-daoka aza dia lasa zara fa misy indraindray. Ny vola moa no fototry ny raharaha eto, nefa na ny zavatra atao, ny fitaovana ilaina sy izay ho enti-manana amin’izany dia tsapa fa: “ny vola tokoa no hozatry ny fiainana”. Tsorina anefa fa marobe ireo olona tsy an’asa, very noho ny hetraketraka tamin’ny taona 2009 nataon-dRajoelina sy ny forongony ohatra, ka lasa manao toetra tsy mendrika etsy sy eroa ny olona sasany, mangalatra, manolan-jaza, sns… ka tsy tombon-tsoa intsony fa “sitrany ahay” hatrany, izay hita koa amin’ireo mpamono olona sasany, satria mangalatra na mamono olona izy ireny, mba hahazo finday fotsiny ihany ohatra. Mikorosy mikororosy hatrany ny fiainan-dRamalagasy.