Andry Tsiavalona
Manahiran-tsaina ny olompirenena hatrany ny resaka fifidianana, satria tsy mazava intsony ny tian’ny fitondran-dRajoelina Andry hahatongavana. An-daniny, tsy mety mamoaka didim-panjakana manamafy ny daty hanaikana ny mpifidy hanatanterahana ny fifidianana Filohan’ny Repoblika navoakan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI) ary namafisin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny fitondrana mpanatanteraka. An-kilany kosa, sady tsy sahy milaza amin’ny fomba ofisialy, fa ho kandidà amin’izany fifidianana izany no manao fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana sahady Rajoelina. Manaporofo izany ny fitetezam-paritra ataon-dRajoelina Andry manao fitafiana lokon-dôranjy toy ny mpikambana tsotra ao amin’ny antokony, fa tsy filohan’ny Repoblika, ary mampanantena hamaha ny olana mianjady amin’ny vahoaka any amin’ireo Faritra nanaovany velirano kanefa tsy tanterany izany. Anisan’izany ny any Atsimon’ny Nosy izay nampanantenainy « pipe-line » efa roa taona lasa izay, kanefa dia nametrahany vato « fototra indray ».
Nanao vava tsy ambina indray Rajoelina Andry, ka nilaza fa betsaka ny nampanantena fa tsy nisy nahavita, fa izy no « mesia » manome rano ny any an-toerana. Raha izany no jerena dia tsy misy fantany ny tetikasa rehetra nentina namatsiana rano ny tany Atsimo. Tsara ampahatsiahivina izy ireny, ka tao ny “impluvium” izay tsy mbola nahavaha ny olana, satria ny ranon’orana mirotsaka no nangonina tamin’ireny azo lazaina fa dobon-drano izany, ka tsy naharitra satria nifampizaran’ny olona sy ny biby fiompy ny rano. Nanao “forages” arivo tany Androy ihany koa ny Unicef ary nametraka toeram-pivarotana ny singa “pieces de réchange”, kanefa noho ny tsy fisian’ny orana dia tsy nisy fanavaozana natoraly ny rano ambanin’ny tany, noho izany dia nivadika ho masira na mangidy mihitsy, ka tsy azo nosotroina intsony ny ankamaroany. Nisy koa ny “pipe-line” mirefy 172 kilometatra avy any Ifotaka mihazo an’i Tsihombe, novatsian’ny JICA (Japan International Cooperation Agency) vola ary notokanan’ny filoha teo aloha Ratsiraka Didier ny taona 1997. Ka tsy ny mponina any Atsimo no fitahina sy hanaovana ronono an-tavy toy izany, satria na mbola zaza aza tamin’izany dia mahatadidy sy nisitraka ireo tetikasa rehetra ireo. Ny filohan’ny Repoblika koa raha manan-tsaina tia karokaroka dia manao fanadihadiana eny anivon’ny mponina aloha vao miteny, fa tsy manala baraka tena ho tsy manana ny haavom-pahalalana eo amin’ny sehatra tsy voafehiny akory. Ireo mpiaradia aminy avy any amin’ny Faritra, olom-boatendry sy olom-boafidy moa dia tsy manan-katao afa tsy ny midera sy mankalaza ity “mesia” mitondra famonjena hono, satria notambazana vola be ka mihevitra fa hampiverina ny fitiavan’ny mpiray tanindrazana an-dRajoelina Andry ny ataony, kanefa dia fampijabahana tsotra izao.
Na hisy na tsy hisy ny fifidianana dia tsy misy mahatoky ny CENI sy ny HCC na ny antoko politika, na ny fiarahamonim-pirenena, na ireo Vondrona Iraisam-pirenena isan-tokony ary na ny Mpitondra Fivavahana koa aza. Tao ny nanao antso avo ny hanaovana fikaonandoham-pirenena, misy koa ny mitaky ny fanoloana ny mpikambana ao amin’ny CENI sy ny HCC. Maro koa ny mahita fa tsy matotra mihitsy ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy, satria na dia nameno ilay taratasy nanaovan’ny iraky ny Ceni izany aza dia na misy diso ny momba azy na tsy tafiditra ao anaty lisitra akory. Ankoatry ny fandraisana andraikitry ny Fivondronan’ny Fiangonana Kristiana Malagasy (FFKM) amin’ny fanarahamaso ny fizotry ny fifidianana mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana ka hametrahany ireo kristiana any amin’ny Faritra sy biraom-pifidianana rehetra dia nampiaka-peo ihany koa, ny talata 25 Aprily 2023, ny “Commission Episcopale Justice et Paix” momba ny tsy maintsy hanatsarana ny “Lalàm-pifidianana” (Réforme de la Loi Electorale), ary namotsipotsitra ny krizy eo amin’ny sehatra rehetra, politika sy sosialy mandalo amin’ny krizy ara-toekarena sy fanabezana ary fampianarana, izay mahazo laka amin’izao fotoana izao.
Tsara ary tsy maintsy atao ny fanamarinana na tafiditra na tsy tafiditra ao amin’ny lisitry ny mpifidy ny olompirenena tsirairay, fa tsy maintsy mandray andraikitra ihany koa ny tsirairay hanilika ireo nampahantra sy nampihinana ny tsy fihinana ny vahoaka Malagasy ary nanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena.