Filoha Ravalomanana sy ny TIM – Miantso ny CENI hanarina ny lesoka hahazoana lisitra feno sy marina

Isambilo

Tafita ny hafatra tamin’ny fivoriamben’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM tany amin’ny faritra Atsinanana, sy ny kongresim-paritry ny antoko TIM tany amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo ny faran’ny herinandro lasa teo. Vory maro ireo mpikatroka hampita ny hafatra momba ny fanamarinana ny anarana amin’ny lisi-pifidianana, ny fanaraha-maso izany lisi-pifidianana izany, ny mbola hanentanana ny mpiara-monina hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana ary handray anjara mihitsy amin’ny fifidianana filohampirenena ho avy eto amintsika amin’ity taona ity.

Navitrika sy nanao ny ainy tsy ho zavatra ihany koa ny mpikarakara tany an-toerana, nahitana ny filoha lefitry ny RMDM any Toamasina ny senatera teo aloha Remi Rafidiarison sy ny ekipany, ny avy amin’ny antoko TIM notarihan’ny filoha lefitra nasionaliny any Toamasina ny senatera teo aloha Jacky Randriantsalama, ny coach ny faritra Atsinanana: ny depiote teo aloha Voizy Blandine, ny Distim Toamasina notarihan’Andriamatoa Naina Andrianiarifera, ny Praiministra lefitra teo aloha Botozaza Pierrot ary ny coach Analanjirofo: ny depiote teo aloha Rasomotra sy ny ekipany,…

Anisan’ny nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’izany fa: “fifaninanana demokratika ny fifidianana, koa miantso ny CENI hanao ny ezaka rehetra hanarenana ireo lesoka maro, hahazoana lisi-pifidianana feno sy marina. Miantso ny ao amin’ny ministeran’ny atitany koa, hamoaka ny anaran’ireo fokontany rehetra, sy ny lisitr’ireo fokontany rehetra ireo manerana an’i Madagasikara ary hatolotra ny CENI izany, mba hifanaraka amin’ny tena zava-misy ireo fokontany eto Madagasikara sy ny biraom-pifidianana amin’ny fifidianana ho avy”. Tsy ekena ihany koa izany tetezamita izany hoy izy, fa fifidianana no maha-maika izao, ho fanavotana ny vahoaka sy ny firenena izay tena latsaka an-katerena tokoa.