Andry Tsiavalona
Mitombo andro aman’alina toy ny tsy fahalavorian’ny ataony ny fibatan-Rajoelina Andry izao amboara tsy mendrika azy rehetra izao. Gaga sy talanjona ny Malagasy fa notolorana ny tepana mainty “6ème dan” eo amin’ny haiady karate izy tao Mahamasina rehefa avy nampiseho talenta niaraka tamin’ireo mpikatroka amin’ity taranja ity. Raha ny vaovao miparitaka any amin’ny tabazotran-terasera dia efa manana ny “5ème dan” hono izy. Tsy mahagaga raha nilaza izy tany Toliara fa “mipipi am-pataloha” ireo andiany niara-nikatroka taminy tao amin’ny “Dojo Maka” raha vao maheno ny anarany fotsiny.
Misy vaovao miparitaka ihany koa anefa fa tsy manana ny tepana mainty izy. Maromaro ireo amboara natolotra azy, izay teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena toy ny “Amboaran’ny Ady amin’ny tsy Fanjarian-tsakafo”, (Lutte Contre le Malnutrition), ny “Amboaran’ny Fananganana Indostria”; ary farany teo ny “Amboaran’ny maha Lehibe azy amin’ny Fanorenana” (Grand Bâtisseur). Raha itsy voalohany no resahina dia nizara vary misy “carry” naka ny lokom-boasary nahavita sakafo atoandron’ny mponina aman-jatony maro tokoa izy sy ny vadiny. Ny “kere” kosa anefa etsy an-danin’izany dia tsy any Atsimo intsony no iainan’ny ponina, fa efa miparitaka any amin’ny Faritra Atsimo Atsinana sy any amin’ny Faritra Avaratry ny Nosy. Araka izany dia ny mifanohitra amin’ny amboara natolotra azy dia ny “Amboaran’ny Fizarana Patsa indray Mahandro”.
Marina fa nampanantena hanangana indostria teto Madagasikara Rajoelina Andry, ka anisan’ny ngeza tamin’ireny ny ozinina fanamboarana fiara sy môtô “Gasy Car” sy ny ozinina fanodinana legioma tao amin’ny Faritra Vakinankaratra. Anjaran’ny Malagasy no manao ny tomban’ezaka raha mendrika notolorana ireo ny filohan’ny Repoblika satria tsy nisy nitsangana ireo ozinina ireo na iray aza. Toy ireny mpianatra nanomana “mémoire de maîtrise” ireny Rajoelina Andry, ka nisandoka na nangala-tahaka ny asan’ny sasany ary andefa izany notsaraina ary nahazoany diplaoma raha ny amboara “Grand Bâtisseur” no halalinina, satria tsy izy no nandalina sy nandrafitra ny antontan-taratasy nahazoana ny famatsiam-bola momba ny fanamboarana ny “Rocade d’Iarivo” sy ny “Seranam-piaramanidina Ivato”, kanefa ireo no nanolorana ny amboara ho azy.
Ankoatr’ireo notanisaina ireo dia misy sehatra azo anomezana amboaran’ny maha-tompondaka ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ireo tomponandraikitra rehetra amin’izao fotoana izao. Lehibe indrindra amin’ireny ny fampisafotofotoana ny andraikitry ny mpanantanteraka sy ny mpanao lalàna. Ny tsy fanajana ny fahaleovantenan’ny Fitsarana ka tsy takona hafenina ny fanomezana baiko ny mpitsara amin’izay didy tokony havoakany. Efa ho tapitra ny fepotoana hitondran-dRajoelina Andry kanefa dia mbola governora no mipetraka eo amin’ny toeran’ny Lahiben’ny Faritra izay fidian’ny mpifidy lehibe (grands électeurs). Tokony ho toloran’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana amboara izy amin’ireo toe-draharaha ireo. Efa maromaro ihany ireo tomponandraikitra ambony voatsoka teo amin’ny toerany. Tsongaina manokana amin’izany ireo minisitry ny Angovo sy ny Akoran’Afo sy ireo tale jeneralin’ny Jirama. Iaraha-mahalala ny anton’ny fanesorana ireo tomponandraikitra ireo dia ny tsy fahitana vahaolana momba ny fahatapahan-jiro, delestazy tsy misy fiafarany, ary mandritra ny ora maro, saika manerana ny Nosy mihitsy. Omaly ny filohan’ny Repoblika vao nieboebo fa vita sonia ny fifanarahana momba ny fanamboarana ireo “centrales hydroélectriques” any Ivolobe sy Sahofika. Tsiahivina anefa fa tamin’ny faramparan’ny taona 2020 no efa natao ny fanadihadiana ara-teknika momba ireo tohadrano hamokarana herinaratra ireo.
Tompondaka amin’ny fanesorana amin’ny toerany tomponandraikitra ny filohan’ny Repoblika. Tompondaka mendrika ho tolorana amboara momba ny fanolorana fitaovana mamokatra herinaratra mandeha amin’ny masoandro izay tsy mahasakana ny delestazy an-tanàn-dehibe aloha hatramin’izao. Tsy mifanojo amin’izay iainan’ny Malagasy ny amboara natolotra ny filohan’ny Repoblika satria rakotry ny haizina tanteraka ny Firenena ka tsy misy mangirana tazana na kely aza eny amin’ny faravodilanitra. Tsy voavaha mihitsy ny delestazy hatreto, noho izany: potika ny fihariam-bahaoaka miankina amin’ny jiro, mijaly ny vahoaka noho ity delestazy ity, soa ihany fa 102 andro sisa: J- 102 dia hiala amin’ny toerany Rajoelina. Ho avy izay andro izay.