Miala Rajoelina – Mitohy ny fanitsakitsahany lalampanorenana

Andry Tsiavalona

Tena mihevitra ny tenany ho manana ny fahefana eo amin’ny sehatra rehetra Rajoelina Andry amin’izao 3 volana mahery kely sisa hipetrahany eo amin’ny seza fitantanana ity Firenena ity, na J-93. Mitohy tsy misy fitsaharany ny fanitsakitsahany ny Lalàmpanorenana, ka izay havoaky ny vavany rehetra dia lalàna velona tsy maintsy hampiharina, tsy misy mandalo eny amin’ny Antenimiera roa tonta ho laniana, sy eny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana hamarinina na mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana izany.

Efa fantatra moa fa tsy manana ny maha Andrim-panjakana manana ny fahefana handany izany intsony ny Antenimieram-pirenena taorian’ny nanimbaziban-dRajoelina Andry azy teny amin’ny foiben’ny antokony. Raha ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana indray dia fianakavian’ny manampahefana ambony ao amin’ny fitondrana daholo ny mpikambana ao. Tsy mahagaga intsony raha tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny fitantanana ny Firenena. Tsy misy fiheverana mihitsy ny momba ireo kaominina 20 mahery tsy mbola manana Ben’ny Tanàna sy Mpanolotsaina kaominaly, kanefa tsy manan-kolazaina ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana manoloana izany.Hametraka Faritra faha-24 indray hono Rajoelina Andry kanefa ny Faritra aza tsy olomboafidy, lehiben’ny Faritra no mitantana izany, fa governora izay tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana kanefa eken’ity Andrim-panjakana ity. Araka izany dia toy ny Sampan-draharaham-panjakana any amin’ny Faritra (Service Technique Déconcentré) ny Faritra fa tsy Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefana (Collectivité Territoriale Décentralisée).

Eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana ihany dia 93 andro sisa tavela dia tsy maintsy mametra-pialàna Rajoelina Andry kanefa dia tsy mbola mipetraka amin’ny maha Filoha Lefitra faha-fito ao amin’ny Antenimieram-pirenena ny mpanohitra, izay heverina fa izy ihany no manome baiko tsy hanatanterahana izany, satria raha ny fifandraisana eo aminy sy ity Andrim-panjakana ity no jerena dia mitombona tsy azo lavina izany.

Fananam-pirenena na fananam-bahoaka ny Lalambim-pirenena sy ireo gara rehetra andalovan’izany kanefa dia nomena an-dRavatomanga Mamy ny gara etsy Soarano, izay anisan’ny vakoka tena azo lazaina fa reharehan’ny Renivohitr’i Madagasikara tokoa. Toy ireny fananan’ny fitondrana itony fotodrafitrasa itony, ka omena olona tsy vidina sy tsy ilaina anaovana tolobidy (Appel d’Offre), ka izay nanao tolotra be indrindra no nahazo azy. Na izany na tsy izany dia tsy azo atao ny zavatra toy izao, satria tsy fantatra na fanomezana na fivarotana ny fananam-pirenena no natao, ka midika famadihana Tanindrazana izany.

Ny tena fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana ataon’izao fitondrana izao dia ny fanakantsakanana ny olompirenena tsy haneho hevitra sy hidina an-dàlambe hanoherana ny tsy rariny, sy tsy anekena iaina amin’izao fidangan’ny vidim-piainana izao. Voarakitra ao anaty Lalampanorenana izany fahalalahana izany kanefa misy administratera sivily milaza, fa azon’ny fitondrana atao ny manakana izany. Nolazainy koa fa afaka manao izany ny fitondrana na aiza na aiza ary na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona, satria anisan’ny andraikiny izany. Toa milaza ity administratera sivily ity, fa rehefa mamory olona eny an-kalamanjana ny antoko politika na vondron’olona na fiarahamonim-pirenena dia tsy ho voafehy ny fihoaram-pefy. Manakana izany indrindra no andraikitry ny mpitandro ny filaminana, satria zo fototry ny olompirenena ny maneho hevitra, ka izay mihoa-pefy no samborina, fa tsy ny mpanao fihetsiketsehana.

Ireny fanakantsakanana ny Filoha Ravalomanana Marc ireny dia tokony hanaovan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana fanamarihana sy fanakianana satria manana sata manokana izy, araka ity Lalàna fototra ity. Tsy mba mipitrapitra mampalahelo toy ireny olona mivarahontsan’ny tahotra (tahotra ny fifidianana) ireny ny mpitondra ankehitriny, fa mivandravandra mampatahotra ka vao maika handosiran’ny olona.