EDITO 13 Jona – Miala Rajoelina – J-88 – Fitondrana tsy matotra sy peta-toko no misy

Beharo

Fitondrana peta-toko no misy eto amintsika amin’izao fotoana. Noho izany tsy maintsy tokony hiala Rajoelina afaka 88 andro, na J-88. Arak’izany lohateny izany dia fitondrana tsy matotra amin’ny lafiny maro no manakoako eny rehetra eny tao anatin’izay 4 taona mahery nitantanany ny foirenena izay raha atao indray mijery.

Ny hoe tsy matotra tian’ireo izay sendra anay avoaka dia ny fotoana nitantanana nefa tsy mba taitra am-boalohany fa aty amin’ny farany, vao mampandry adrisa ny rehetra, satria mbola te-hamikitra amin’ny seza hatrany. Tsy hita mazava ny fahaiza-mitondra ny firenena sy ny mponina ao aminy, fa dia mbola manilika ny tsy fahaiza-manao tamin’ireny toetr’andro ratsy ireny ohatra, na ireny fisian’ny areti-mandoza eran-tany sy ny fifandonana ukrainian sy rosiana ireny.

Tao anatin’izay fotoam-pitondrana izay, dia efa in-4 no nitsidika an’i La Frantsa Rajoelina, ka ny voalohany dia ny 29 mey 2019 izay fisantarana ihany raha ny akom-baovao voaray, nefa teo dia nahakivy ny maro sahady noho izy nandeha tsy nanao veloma, tonga tsy niarahaba, tsy nitondra izay voandalana mety sy mazava, ary ny faharoa dia ny 27 aogositra 2021, izay niteraka resabe sahady noho izy tsy mba notsenaina tamin’ny alalan’ny Tapis mena, ka lasa matsatso ihany raha atao in-dray mijery. Ny faha-3 dia ny 29 aogositra 2022 mbola tao amin’ny lapan’ i Elysée hatrany toy ny nataony tamin’ny zoma farany teo, izay nambaran’ny maro fa mbola fihaonana adin’ny iray manokana teo aminy sy ny filoha frantsay hatrany, nifantoka tamin’ny fiaraha-miasa ara-toe-karena sy ara-diplomatika nefa dia tsy ara-panjakana na ofisialy mazava raha ny akom-baovao miparitaka.

Tsy matotra hoy hatrany ny feo voaray satria, efa aty aorian’ny fanisam-bahoaka mikasika ny fotoam-pifidianana indray vao manangana ny faritra faha-24, izay azo inoana fa hanimba ny lisitra mazava efa vitan’ny Ceni izany, lasa miovaova ny manerana ireo fokontany sy kaominina ary distrika ao amin’ireo 23 hita mazava. Peta-toko tokoa satria toa izay ambarany amin’ny kabary tsy voahevitra, dia heveriny fa mampandroso ny firenena avokoa. Raha fintinina dia vonjy tavanandro sy fomba enti-mamikitra seza hatrany no misy sy atao, sady fampielezan-kevitra diso fipetraka sahady, raha ny akom-baovao voaray, fa tsy misy mba ho tombontsoa mazava, ary tsy mahalala izay politikan’ny kibo tokony hatao ihany koa izao fitondrana Rajoelina izao.