Basket any Menabe – Mijaly foto-drafitrasa sy ailiky ny mpitondra

Rajepa

Ny faha 10 ka hatramin’ny faha 18 jona lasa teo dia nampiantrano ny fifanitsanam-pirenena, fiadiana ny tompon-dakan’i Madagasikara basket-ball sokajy N1B ny faritra Menabe, lalao natao tao Morondava, ka nandritan’izany dia nitaraina avokoa ireo mpandray anjara, fa tsy manaraka ny fenitra ny fotodrafitrasa: ny kianja dia kely ny cerceau tsy ampy refy, ka sahirana ireo mpilalao tamin’ny famonoana baolina.

Na dia niezaka nitady vahaolana aza ny ligin’ny basket-ball Menabe dia tsy nisy ny vahaolana satria niady irery ny ligy tsy nisy ny fanampiana na avy amin’ny faritra na avy amin’ny ireo tompon’andraikitra eto Morondava. Toy izany koa ireo ekipa solontenan’ny faritra Menabe, izay nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity raha roa ireo ekipa nisolotena ny faritra Menabe dia ny iray no isan’ireo tafiakatra N1A dia ny ASS avy ao Miandrivazo izay tsara ho marihina fa club vao taona iray no nijoroany izay teraka tao amin’ny Association Sarimbo.

Raha ity fikambanana ity dia fikambanana naorin’Andriamatoa RATOVONJANAHARY Heritiana Guillaume, zanak’i Miandrivazo mikendry ny fanampiana sy fampivoarana ireo zanak’i Miandrivazo rehetra, miezaka misehatra amin’ny asa sosialy sy fifanampiana amin’ireo samy mpikambana. Tamin’ny 2020 no nijoroan’ny fikambanana ary ny taona 2022 no najoro ny ASS na Association Sprotive Sarimbo, izay entina hanabeazana ny tanora amin’ny fanatanjahantena, ka ny Basket-Ball no nanokafana azy ary anatin’ny famolavolana ny taranja hafa ny fikambana amin’izao hoy ny filohan’ny fikambanana RATOVONJANAHARY Heritiana Guillaume, fa noho ny hoenti-manana izay sarotra tokoa, satria dia mamelon-tena ny fikambanana, ka ny filoha no miezaka miantoka ny ampahany maro amin’ny fandaniana, dia manao antso avo amin’izay malala-tanana ny fikambanana amin’ny fanohanana, satria sarotra ny fanatanterahana zavatra indrindra fa eo amin’ny lafiny fanatanjahantena izay maro ireo fitaovana ilaina sy ny enti-manana.

Mahatsiaro tsy misy mpijery ny ASS Miandrivazo tamin’iny fifaninanana iny, satria tsy mba nisy solontenan’ny tompon’andraiki-panjakana ato Menabe mba nijery na nanampy azy ireo, nefa dia ny anaran’ny faritra Menabe no nentin’izy ireo ary sambany teo amin’ny tantaran’ny Basket ball ato Menabe no mba nisy tafakatra N1A izany hatramin’izay. Tsy resy mihintsy moa ny ekipan’ny ASS Miandrivazo tamin’ity raha tsy tany amin’ny manasa-dalana sy teo amin’ny fiadian-toerana.

Mahatsiaro faly ny mpankafia ny taranja basket-ball ato Menabe tamin’ny endri-dalao sy ny vokatra izay azon’ity ekipa ity, saingy gaga ny rehetra fa tsy mba nisy ny fijeren’ny tompon’andraiki-panjakana tato Menabe ireto ekipa ireto izay nampiakatra avo ny lazan’i Menabe eo amin’ny taranja Basket- Ball nefa ny kopi- kole ny filoha dia nandaniana vola sy nampiasana fitaovam-panjakana ny fitsenana azy. Soa ihany fa tsy nataon’ny tompon’andraikitra tao MIANDRIVAZO ambanin-javatra ireto mahery fony ireto, fa dia notsenaina nangotrakotraka izay notarihin’ny lehiben’ny distrika ary mankahery hatrany ny mpitarika ny fikambanana ny lehiben’ny ditrika amin’ny ezaka izay nataony nahazoana izao vokatra izao ary nitso-drano ny ekipa mba hahazo ny amboaran’i Madagasikara sy ho lasa lavitra hatrany.