Andry Tsiavalona
Miatrika krizy maro lafy tsy nisy toy izany ny Firenena Malagasy sy ny Malagasy amin’izao fotoana, ka maizina tanteraka ny làlan-kizoran’ny mpiray tanindrazana. Miteraka adihevitra tsy misy fitsaharana ny resaka fifidianana filohampirenena sy ny fisitrahan-dRajoelina Andry Nirina ny zom-pirenena frantsay. Maro amin’ny mpanao politika sy ny fiarahamonim-pirenena no mahatsapa, fa tsy azo itokisana ireo andrim-panjakana roa misahana ny fifidianana: ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI) sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenena (HCC), satria tsy takona hafenina fa mirona sy mpomba an-dRajoelina Andry ny mpikambana ao anivon’izy ireo.
Ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy nataon’ny CENI dia efa niteraka fanakianana miaivay, ka na ny fikambanana iraisam-pirenena (OIF) izay nanao fitsirihana (audit) izany aza dia nahita tsy fahatomombanana maro ary mbola hamerina izany rehefa tena mikatona tanteraka ny fisoratana anarana. Ambonin’izany, ny fepotoana nolazaina fa nifaranan’izany aza dia nahemotra indray kanefa nihena ny isan’ny mpifidy raha hampitahaina tamin’ny fifidianana ny taona 2018. Tsy mahagaga ihany izany satria nisy « doublons » roa hetsy sy iray tapitrisa izay nezahan’ny CENI nesorina ireo amin’izao fanavaozana ny lisitra izao kanefa mbola miteraka ahiahy ihany izany, satria nahemotra hatramin’ny 20 jolay 2023 indray ny fepotoana famaranana ny fisoratana anarana. Ny fanontaniana dia tiana haverina indray ve ny « doublons » nateraky ny fanomezana faobe karapanondrom-pirenena (jugement supplétif).
Etsy an-kilany koa dia misy olompirenena, tsy olonolom-poana, nisoratra anarana tao anaty lisitra nampanaovin’ny CENI kanefa rehefa nanamarina izany rehefa niverina teny amin’ny Fokontany ny lisitra dia tsy tao intsony ny anarany. Heverina fa tsy vitsy ny tranga toy izany, saingy tsy misy mpanontany izy ireny ka tsy hitany izay hisarangotana. Miteraka ahiahy ihany koa ny fanoloana sefom-pokontany any amin’ny toerana maro, satria misy olona tsy mipetraka eo amin’ny Fokontany akory no tendrena ho amin’izany toerana izany ary depiote izay tsy manana andraikitra amin’izany no manao bodongerona tsotra izao.
Mirazotra amin’ity resaka fifidianana ity ny fizakan-dRajoelina Andry Nirina ny zom-pirenena frantsay satria ireo lalàna: ny Lalàmpanorenana sy ny Lalàm-pifidianana eto Madagasikara dia mandrara ny olona manana zom-pirenena vahiny hirotsaka kandidà ho filoham-pirenena. Iaraha-miaina fa miteraka adihevitra mafana izany. Mitavozavoza ireo mpiaro an-dRajoelina Andry Nirina, satria tsy mifanojo ny fototra nahazoany izany. Ny minisitry ny serasera sy ny Kolotsaina, Rakotondrazafy Lalatiana, dia nilaza fa ny raiben’ny raiben-dRajoelina Andry Nirina no nizaka ny zom-pirenena frantsay, ka « par affiliation » (par filiation no marina satria ny mpikambana amin’ny sendika no « affilié ») no nizakany izany. Ramatoa Rina Rakotomanga indray nilaza fa araka ny « diplomasia » no nahazoany izany ny taona 2014. Raha ny didim-panjakana voasonian’ny Praiminisitra sy ny Minisitry ny Atitany frantsay nivoaka ny volana novambra 2014 tao amin’ny gazetim-panjakana frantsay anefa dia nangataka ny fisitrahana izany Rajoelina Andry Nirina. Araka izany dia tsy maharesy ny “marina” velively ny “lainga tsara lahatra” amin’izao toe-draharaha izao.
Ny hetsika ataon-dRajoelina Andry Nirina eto amin’ny Firenena, eo amin’ny sehatra rehetra, dia manaporofo fa fitondrana mpanjanaka no misy amin’izao fotoana izao, ka izay ataony dia famoretana ny Malagasy sy fanapotehana ny lafiny toekarena ary fampahantrana ny Malagasy valo ambiroapolo tapitrisa. Tsy mionona amin’izany ity vazaha manana rà malagasy mikoriana ao anatiny ity, fa manimbazimba ny kolontsaina sy vakoka ary manitsakitsaka ny Fiandrianam-pirenena Malagasy. Efa miantso ny manam-pahaizana manokana momba ny lalàna ny Malagasy maro hanazava ny saim-bahoaka raha toa ka tsy maintsy hesorina amin’ny toerany (destituer-na) na tsy mahazo milatsaka ho kandidà intsony izy amin’izao fifidianana filohampirenena izao. Tomponandraikitra amin’izay mety hitranga ny andrim-panjakana tokony handray ny andraikiny amin’izao toe-draharaha izao.