Olana marolafy maharendrika ny firenena – Hanangana Cellule de Crise maika ny Seces Antananarivo

Nangonin’Isambilo

Nanao fanambarana ny Seces Antananarivo, na ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, manoloana ny olana samy hafa eto amin’ny firenena amin’izao fotoana, indrindra ny olan’ny fampianarana ambaratonga ambony, izay potehin’ny fitondrana Rajoelina.

Araka ny fanambarana : « manaja tanteraka antsakany sy andavany ny fehin-kevitry ny filankevi-pirenena SECES natao ny 8-9 jona lasa teo ary manantitrantitra fa vokatra mahafapo sy azo tsapain-tanana amin’ireo fitakiana voarakitry ny fehin-kevitry ny Filankevi-pirenena, fa tsy fitanisana ny dingana nolalovan’ireo tompon’andraikitra fotsiny ihany no andrasan’ny SECES dia ny :
-karaman’ny vacataires, ny indemnité de recherche et d’investigation ho an’ireo retraités chercheurs.
-Ny heures complémentaires ho an’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra taom-pianarana : 2018/2019, 2019/2020 ary 2021/2022.
-ny vokatry ny 3 décrets,
-ny famoahana ireo didim-panjakana miisa 5,
-ny titularisation an’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra mangataka ho Professeur Titulaire,
-ny reclassement,
-ary ny fibodoana ny tanin’ny Oniversite, ny Foibem-pikarohana Nasionaly, sy ny faritry ny toeram-ponenan’ny mpianatra.

Manamafy ny fe-potoana tapaka nandritra ny Filankevi-pirenena hamalian’ny fitondrana ireo fitakian’ny SECES ireo zo sy hasiny ireo hatramin’ny 30 jona 2023.

Satria manjaka tanteraka ny gaboraraka, ny fahantrana lalina iainan’ny vahoaka tsy mandady harona, ny tsy fandriampahalemana, ny fanitsakitsahan’ny mpitondra ny lalampanorenana, ny fanondranana tsy ara-dalàna ny harem-pirenena, sns… ary indrindra indrindra, ny fanohintohinana ny maha-masi-mandidy ny vahoaka eto amin’ny tanindrazany sy ny fahaleovantenany, dia hanangana Cellule de Crise faran’izay haingana ny SECES, ary hamoaka tsoa-kevitra hamahana ny olana marolafy maharendrika ny firenena eo ambany vahohon’ireo tsy Malagasy.»