Antenimierampirenena – Nisavoritaka tanteraka ny teny Tsimbazaza

Niaina

Nisavoritaka tanteraka ny fandaharam-potoana teny amin’ny Antenimierampirenena teny Tsimbazaza omaly. Tokony ho nahemotra omaly ny fihaonana teo amin’ireo mpanao lalàna sy ny mpanatanteraka, tsy raikitra anefa izany. Tokony ho natao koa ny fanoloana ny mpikambana sasany ao amin’ny birao maharitr’ity andrimpanjakana ity, tsy tontosa ihany koa izany hatramin’ny fotoana nanoratanay. Raha niato kely ny fivoriana tamin’ny 1 ora sy sasany tolakandro teo, hatramin’ny 7 ora hariva mbola tsy niverina ihany. Fehiny, azo lazaina ho tsy mandeha amin’ny laoniny ny zava-misy ao amin’ity andrimpanjakana mpanao lalàna ity eto amintsika.

Tokony hifarana omaly zoma 30 jona 2023 ny fivoriana ara-potoana voalohany ny Antenimierampirenena io, rehefa naharitra 60 andro, araka ny voatondron’ny Andaniny faha-75 ao amin’ny Lalampanorenena malagasy, milaza fa “Mivory ara-potoana indroa isan-taona ny Antenimierampirenena. Ny faharetan’ny fotoam-pivoriana isanisany dia ferana ho enimpolo andro. Manomboka ny talata voalohany amin’ny volana mey ny fotoam-pivoriana voalohany, ary ny talata fahatelo amin’ny volana oktobra kosa ny fotoam-pivoriana faharoa, izay atokana indrindra amin’ny fandaniana ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana”.

Ankoatra izany, ny andininy faha-102 andalana faha-2 amin’ny Lalampanorenana no mamaritra ny fifanatrehan’ny Governemanta sy ny Solombavambahoaka, fotoana atokana ho an’ny fanontanian’ireo mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena sy ireo valiny avy amin’ny Governemanta. Voahosihosy ny lalàna sy ny lalampanorenana ao Tsimbazaza. Ho arahantsika eo ihany ny ho tohiny.