Andry Tsiavalona
Nandrasan’ny Malagasy liana amin’ny raharaham-pirenena tokoa ny resadresaka nataon’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny alahady lasa teo. Ireo lohahevitra nasongadin’ireo gazetin’ny fitondrana mivoaka isan’andro no tsara hanaovana fanadihadiana. Amin’ny ankapobeny dia tsy nisy afa tsy fameriverena ny saim-bahoaka toy ny fanaony ny resaka nataon-dRajoelina Andry Nirina iny alahady iny. Ny zava-nisy aloha dia nisy delestazy tany amin’ny fokontany maro tamin’ny fotoana nanombohan’ny fandaharana. Araka izany dia ny resaka delestazy nanomezan-dRajoelina Andry Nirina telo herinandro ny minisitry ny Angôvo sy Akoranafo hanafoanana izany no tena nanaitra ny maro. Raha tsy voavaha ato anatin’ny 3 herinandro io olan’ny jiro io hoy ny maro, ny filoha Rajoelina mihitsy no tokony hiala, satria avy any ambony mihitsy no tsy mahafehy ny fitantanam-pirenena.
Nenjehin’ny kandidà ho filoham-pirenena Rajoelina Andry Nirina, ny taona 2018, ny fitondrana Rajaonarimampianina Hery raha nampanantena fa nofoanana tao anatin’ny telo volana ny delestazy. Tsiahivina anefa fa ity filohan’ny Repoblika ankehitriny ity mihitsy no nampanantena fa hampitombo 400 Megawatts, ambonin’ny efa misy, ny herinaratra vokarina eto Madagasikara satria ny 15% ny mponina ihany no misitraka izany tamin’izany fotoana izany. Ny niainan’ny Malagasy tato anatin’ny dimy taona raha resaka deletazy anefa dia tena azo lazaina fa maizin-kitroka ny tanàna ary tsy nahavaolana ny jiro « cobra » napetraka etsy sy eroa satria tsy nanazava ny any an-tokantrano ary tsy namatsy ny asa fiveloman’ny mpiasa tena mampiasa herinaratra ihany koa. Efa niova in-telo ny minisitry ny angôvo tao anatin’ny dimy taona ary toy izany koa ny tale jeneralin’ny Jirama. Amanjatony miliara ihany koa ny vola narotsaka ho fanampiana (subvention) ny Jirama isan-taona ary amin’izao fotoana izao dia efajato sy arivo miliara (1 400 miliara Ariary) araka ny nolazain-dRajoelina Andry Nirina kanefa dia mbola miaina ao anaty haizina ihany ny 15%-n’ny Malagasy. Efa ho tapitra ny fotoana itantanan-dRajoelina Andry Nirina ary vao manomboka ny asa fananganana tohadrano hamokarana herinaratra any Sahofika sy Ivolobe, izany hoe tsy hanafoana ny delestazy ato anatin’ny telo herinandro izany, fa afaka dimy taona indray raha kely indrindra. Ny filohan’ny Repoblika izay mahita sy mahatsapa ary resy lahatra fa tsy maintsy voavaha ny olana delestazy ato anatin’ny telo herinandro no tokony hametra-pialàna raha tsy izay no hitranga, fa tsy ny minisitra na ny tale jeneraly indray no hesorina amin’ny toerany. Ny tsapa tokoa mantsy dia Rajoelina Andry Nirina hatrany no mahita avy amin’ny nofiny na avy amin’ny fivelezany rano na avy amin’ny mazia fa ho foana ny deletazy, ka rehefa tsy iainana izany dia izy nitompo teny fantatra no manaja tena iala satria tsy voalohany izany.
Mibirioka any amin’ny tsy tokony ho izy koa ny valintenin-dRajoelina Andry Nirina momba ny fizakany zom-pirenena frantsay. Tsy misy olona afaka mamadika ny rà malagasy mikoriana ao anatin-dRajoelina Andry Nirina ho rà frantsay, fa sitrapony no nangataka ho frantsay ka ny Lalàmpanorenana novolavolainy ihany no manaisotra ny maha malagasy azy amin’ny maha filohan’ny Repoblika azy. Tsy mitombona ny fiarovan’ny minisitry ny Serasera sy Kolontsaina azy satria tsy ny rain-dRajoelina Andry Nirina no vazaha fa ny dadaben’ny dadabeny ary ambonin’izany dia tsy toy ny mirotsaka ho mpikambana ao amina sendika na antoko ka mameno taratasy firotsahana fotsiny dia vita, fa mangataka vao mahazo zom-pirenena hafa. Tsy misy ara-diplomatika ihany koa ny fanomezana zom-pirenena iray ka miteniteny foana ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika.
Nibaradaka Rajoelina Andry Nirina raha nilaza fa ny mba nahafahan’ny zanany mianatra any ivelany no nangatahany ny zom-pirenena frantsay, maro anefa ny Malagasy no manana zanaka mianatra any Lafrantsa kanefa tsy nilainy ny nangataka izany, ka mianatra any soa aman-tsara ny zanany. Koa satria lazaina fa ray amandrenin’ny Malagasy rehetra Rajoelina Andry Nirina dia afaka mangataka hianatra any Lafrantsa amin’ny alàlany daholo izany ny tanora Malagasy manana faniriana amin’izany? Na izany na tsy izany dia ny fiaiken-dRajoelina Andry Nirina, fa nangataka ny zom-pirenena frantsay izy ary mizaka izany dia porofo tsy azo lavina sy ampy handraisan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) hamoaka didy fanonganana azy (destitution) tsy ho eo amin’ny toeran’ny filohan’ny Repoblika intsony.
Na hiram-pivavahana aza no nialohan’ny resadresaka ny alahady teo dia misy tononkira iray manao hoe: “gaganao aho raolombelona, gaganao aho fa rehefa voa dia mipenompenona, rehefa faly aho dia avelao aho ho am’zao aaa”. Ny marina tokoa tsy mba maty koa tsy maintsy miaina amin’ny FAHAMARINANA izany ny Malagasy manomboka izao, ka handray andraikitra tsy hanaiky lembenana sy tsy hanaiky ho vokisana lainga ary tsy hanaiky mpitondra mpandainga hitantana ny Firenena intsony…