Fanondranana bibidia – Nanolotra teknolojia vaovao ALOE hiadiana amin’izany i Etazonia

Aly

Nanolotra teknolojia vaovao hiadiana amin’ny fanondranana bibidia i Etazonia. Ireo fitaovana vaovao ireo dia hampiasain’ny mpitandro filaminana miisa 120 amin’ny ady amin’ny fanondranana bibidia an-tsokosoko. Hanampy an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny kolikoly, fanondranana bibidia ary famotsiam-bola ny “application” vaovao hampiasaina amin’ny finday sy solosaina, izay tohanan’ny vahoaka amerikana amin’ny alalan’ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID).

Niara-niasa tamin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy, ny Ministeran’ny Fitsarana, ary ny Birao Mahaleotena miady amin’ny Kolikoly (BIANCO) ny tetikasan’ny USAID antsoina hoe: “Countering Corruption and Wildlife Trafficking” (CCWT), izay vatsian’i Etazonia vola, ka nanamboatra ny “application” Access to Environmental Laws (ALOE), izay manamora ny fahafahan’ny mpitandro filaminana sy ny mpitsara mikaroka ireo andinin-dalàna tokony hampiasaina amin’ny alalan’ny finday na solosaina.

Nandritra ny lanonana fanolorana an’ilay “application” ALOE ny 21 jolay teto Antananarivo, dia nankasitraka ny asan’ny mpamorona tamin’ny famoronana ny ALOE ny Tale Jeneralin’ny USAID/Madagasikara, Anne Williams, ary nidera izany fampiasana teknolojia vaovao izany hanatsarana ny rafi-pitsarana. Hahazo tombontsoa avy hatrany ireo mpitandro filaminana maherin’ny 120 rehefa miatrika fanondranana biby an-tsokosoko sy heloka bevava amin’ny tontolo iainana amin’ny asany andavanandro.

“Ireto teknolojia vaovao ireto dia mitondra antsika amin’ny dingana manakaikikaiky kokoa ny fampitsaharana ny kolikoly sy ny fanondranana biby an-tsokosoko eto Madagasikara”, hoy Ramatoa Williams nandritra ny lahateny nataony. “Ny fahalalana dia hery, ary rehefa manana fitaovana ara-dalàna ilaina amin’ny fampiharana ny lalàna isika, ka afaka mamantatra sy mitatitra ny heloka bevava ara-tontolo iainana amin’ny fotoana hitrangan’ny heloka, dia hahatonga ny mpanao heloka bevava hisaintsaina tsara alohan’ny hanaovany zavatra.”

Ny “application” ALOE dia manamora ny fikarohana angon-kevitra momba ireo lalàna mifandraika amin’ny heloka bevava anankiray. Afaka manamarina ny maha ara-dalàna ny toe-javatra mitranga ireo mpitandro filaminana eny ifotony, ka hampiroborobo ny fampiharana mahomby sy hentitra ny lalàna mifehy ny tontolo iainana eto Madagasikara. Ny tetikasa CCWT dia tanterahan’ny World Wildlife Fund (WWF) ary tohanan’ny ireo fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana toy ny ny TRAFFIC International, Transparency International – Madagascar, ary ny Alliance Voahary Gasy.

Toy ny mpirahalahy mianala dia manampy ny vahoakan’i Madagasikara i Etazonia, mba hiarovana ny zavamananaina tsy manam-paharoa sy ny harena voajanahary sarobidy eto amin’ny firenena, amin’ny alalan’ny famatsiam-bola maherin’ny 72 tapitrisa dolara nanomboka tamin’ny taona 2014.