Komity ho Fanavotam-pirenena – Natsangana ireo rafitra hitondràna azy

Helisoa

Tontosa omaly tao amin’ny Espace Dera Tsiadana ny fivoriana nataon’ireo mpanao politika, fiarahamonim-pirenena, sendika ary ireo kandida filoha tamin’ny 2018, na ireo hilatsaka amin’ny taona 2023 ity, ao anatin’ny komity ho fanavotam-pirenena. Marihina fa fivoriana fanindroany ity natao ity, ho tohin’ny natao teny amin’ny foiben-toeran’ny HVM teny Andraharo. Tao anatin’izany no nisian’ny ady hevitra maro samy hafa nihainoana ny hevitr’ireo mpivory. Ny hevitra moa tera-bary tao, ka samy namoaka ny tao an-tsainy sy tao am-pony avy tamin’izany.

Nanambara ny Pasitera Edouard Tsarahame, izay isan’ny nitarika ny fivoriana, fa latsaka ankaterena loatra ny firenena ankehitriny, na lafiny sosialy io, na politika ary indrindra ny ara-toekarena. Manoloana izany hoy izy dia nantsoina ny mpanao politika rehetra tsy ankanavaka, hiaraka hidinika sy hanapakevitra hananganana ny rafitra Fanavotampirenana.

Manaraka izany dia apetraka ny paikady entina hanatanterahana izany, tahaka ny hoe: ahoana no entina hanavotra ny firenena. Avy eo miroso amin’ny paikady sy manatanteraka amin’izay. Misy kaomisiona maromaro nitsangana, izay samy manana ny toerana hivoriany avokoa, ka ireo no hamaritra ny dingana samihafa arahina ao anatin’ny Komity ho Fanavotam-pirenena.