Fanadinana bakalôrea – Tokony hosaziana ireo nandray fepetra, afaho ireo tsy manan-tsiny

Aris

Natao kaofiraoka ary nalefa sy notanana eny amin’ny fonjan’Antanimora vonjimaika ny maro tamin’ireo noheverin’ny fitondrana ho namoaka ny lazadina, indrindra tamin’ny lazadina tantara-jeografia, tamin’iny fanadinana bakalôrea ankapobeny iny. Tena nanao izany avokoa ve izy ireo? Tsapa ho maika mihitsy ny fitondrana izay ao ambadiky ny fitsarana nanao fanadihadiana sy famotorana ireo rehetra voakasika tamin’izany fanomanana sy fikarakarana ny lazadina bakalôrea iny.

Tsy lavina, mila faizina tokoa izay namoaka lazadina mialoha ny fotoana amin’ny fanadinam-panjakana bakalôrea toy ireny. Mila tandremana kosa izany, ho an’ireo tsy manan-tsiny, fa natao tao anaty kitapo iray fotsiny amin’izao izy ireo, ialàna amin’ny fijery sy ny kiana ataon’ny olom-pirenena. Ho an’ny mpamakafaka dia tsy tokony hijanona amin’ireo nanomana ny lazadina ihany fotsiny ny sazy tamin’iny fanadinana iny raha tena nanao izany tokoa izy ireo. Tsy tokony ho afa-bela amin’izany ihany koa ireo tomponandraikitra eo anivon’ny minisitera, sy indrindra ireo rehetra izay nandray fepetra nanemotra ny ora niatrehan’ny mpianatra ny fanadinana tantara-jeografia, fa tena hadisoana bevava iny firavan’ny mpianatra avy ananao fanadinana tamin’ny alina be iny.

Raha mahalala sy mahafantatra marina ny lanjan’io taranja io dia tsy ho nandray fepetra nanemorana ny ora, ka zary lasa nampijaly ny mpiadina sy ireo ray aman-drenin’izy ireo ihany koa. Niaraha-nahita sy nahalala tsara ny nanjo azy ireo, hatramin’ny mpiadina voaendaka nandeha nody ny alimbe, ny fahorian-tsain’ireo ray aman-dreny izay voatery niandry sy nitsena azy ireo, ny harerahan’ny mpiadina (ara-tsaina sy ara-batana) niatrika indray ny tohin’ny fanadinana ny ampitso maraina. Tsy mbola nisy mafy toy izany hatramin’izay niatrehan’ny mpiadina fanadinana raha tsy tamin’iny nandraisana fepetra noho ny tranga nisy iny. Araka izany dia tsy tokony ho afa-maina fotsiny amin’izao ireo rehetra tomponandraikitra nandray iny fepetra iny, fa nampahory ny zana-bahoaka izy.

Ny fampijaliana mpianatra toy izany tsy tokony ho vita mora amin’izao. Ny minisitra aza, raha tena mahatsiaro ho tomponandraikitra tokoa, dia mametra-pialàna, fa tsy mianona amin’ny fitadiavana izay rangory fototry ny afo fotsiny nahatonga ny fivoahan’ny lazadina toy izany. Raha tena mpampianatra sy mpanabe marina amin’ny taranja tantara-jeografia ihany koa, fa tsy sarintsariny na ireo misababaka amin’ny fihazonana taranja hafa, dia mila mijoro sy maneho ny hasarotam-piarony amin’ity taranja ity. Tsy manambany ny taranja hafa akory, samy manana ny lanjany, ary ny taranja tantara-jeografia, dia manefy ny zatovo sy tanora hijery sy hisaina ary handinika ny fiainam-piarahamonina eto amin’ny firenena sy manerana izao tontolo izao. Manana ny maha izy azy tanteraka araka izany ity taranja iray ity eo amin’ny seha-pampianarana.