Andry Tsiavalona
Tsy ho tapitra mihitsy ny resaka fifidianana sy ny manodidina azy, amin’izao roa ambitelopolo andro: J- 32, mialohan’ny fametraham-pialàn-dRajoelina Andry Nirina eo amin’ny fitondrana izao na hahazo mirotsaka izy na tsia. Ity toe-javatra iray farany ity aloha dia tena mahatonga resabe mihitsy, satria mazava ary tsy iadian-kevitra intsony ny voalazan’ny lalàna momba izany kanefa iainana hatramin’ny tetezamita ny fanitsakitsahan-Rajoelina Andry Nirina ny lalàna. Anisan’izany ny « Tondro zotra » izay tsy noraharahiany mihitsy ka ny hasongadina manokana amin’izany ny tsy nanoneran’ny tetezamita ny tambin’ny fandrobana sy fandorana ny fananan’olona toy ny TIKO sy Magro ary ny MBS kanefa dia izy mihitsy no nanome « tsodrano » ireo nahavanon-doza.
Natao ny fifidianana Filoham-pirenena ny taona 2018 kanefa dia nitsakitsahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ka tsy noraharahian’ity andrimpanjakana ity ireo fitarainana nahatratra roanjato mahery. Efa tsy teo amin’ny toeran’ny filohan’ny HCC tamin’izany vao namaky bantsilana ireo « doublon » nahatratra roa hetsy sy iray tapitrisa satria, hono, raha natao tamin’ny fotoana izany dia nisy ny korontana noho ny vavan-dRajoelina Andry Nirina nilaza fa tsy maintsy lany izy ary nanamarina izany ny nampidirana an-tsokosoko fitaovam-piadiana mahery vaika.
Izay ny tamin’ny tetezamita, fa tao anatin’izay efatra taona nitondran-dRajoelina Andry Nirina izao Repoblika IV-2 izao dia tsy tambo isaina ny fandikan-dalàna nataony sy ireo tandapa miara-komana aminy. Rehefa tsy manatanteraka sy tsy nanaja ny zavatra nampanantenaina dia azo lazaina fa nandainga sy nandika lalàna satria « chose promise, chose due » hoy ny hainteny frantsay. Tsy vitsy ireo tsy maty manota ao anatin’izao fitondrana izao ary manaporofo izany ny nanaovana mazia nampivadika volamena 38 kg ho bolongam-by tao anaty « coffre » tao amin’ny Minisiteran’ny Harena an-Kibon’ny Tany na dia nisy famindram-pahefana aza teo amin’ny minisitra nesorina tamin’izany sy ny Praiminisitra amin’izao fotoana izao. Ny solombavambahoaka voafidy ao amin’ny Boriboritany-2 eto an-drenivohitra dia tratra naniraka olona nitatitra hazo sarobidy (voamboana), izay voarara ny fanapahana izany kanefa dia hoy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena : « izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy ». Tsy azo eritreretina fa filohan’ny Fahefana Mpanao Lalàna no manitsakitsaka lalàna toy izany ary mampiasa Andinin-tsoratra Masina. Rehefa miteny, hono, Rajoelina Andry Nirina dia lalàna mivoaka izany, nambarany anefa fa kianjan’ny demokrasia ny eo Ambohijatovo kanefa dia tsy azon’iza n’iza idirana sy amoriam-bahoaka ao satria herim-pamoretana no miambina ny vavahady rehefa faran’ny herinandro. Raha resaka demokrasia dia anisan’ny hetsika maneho izany fahafahana miteny sy mitsikera ny tsy mety rehetra.
Taonam-pifidianana ity taona 2023 ity ary afaka manao kongresy sy mamory olona an-kahalalahana ny antoko politika sy mpanao politika rehetra. Zo fototra ho an’ny tsirairay ihany koa ny mivezivezy eto amin’ny Firenena ho an’ny Malagasy rehetra kanefa dia sakanana tsy mahazo miditra any amin’ny toerana tiany aleha ny olompirenena tsy ao anatin’ny fitondrana. Ny tena mahatonga resabe manodidina ity fifidianana amin’ny volana novambra ity dia ny nahatongavan’ny Komity Fakan-kevitry ny Sadc (Comité Consultatif) teto momba ny Fifidianana. Tsiahivina aloha fa ity Fivondronam-paritra ity ihany no namoaka ny “Tondro Zotra” tamin’ny tetezamita ka tsy mahagaga raha misy amin’ireo mpomba ny fitondrana milaza fa fitsabahana amin’ny raharaha politika eto no ataon’ny Sadc kanefa firenena manana ny « fahaleovantenany » sy ny « fiandrianany » i Madagasikara. Tsara ho fantatra koa fa nanao sonia ny sata mifehy ity Fivondronam-paritra ity i Madagasikara, ka tsy maintsy manaraka sy manaja ny fifampifehezana ny mpikambana ao.
Mbola matahotra ny hisian’ny korotana ara-politika ihany ve ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana na ny Fitsarana, ka tsy ho sahy hamoaka didy tsy hahafahan-dRajoelina Andry Nirina mirotsaka kandidà satria frantsay ? Na inona na inona anefa hitranga dia ny Malagasy tena Malagasy tia ny Tanindrazany ary tsy manaiky vazaha nanjanaka hanandevo azy intsony dia hanapoaka ny sarom-bilany raha mbola hisy ny fanaovana tsinontsinona azy.