Madagasikara mandray ny Lalaon’ny Nosy 2023 – Miseho lany ny tsy fahatomomban’ny fikarakarana

Rainilita

Niseho lany sahady teo amin’ny fanombohan’ny fifaninanana tamin’ny alakamisy 24 aogositra 2023 teo, ny tsy fahatomombana amin’ny fikarakarana ny lalaon’ny Nosy 2023 atao eto amintsika. Tao amin’ny pejy “Comoros Football 269” ohatra dia nahitana an’izao fanambarana izao: Début difficile pour les JIOI 2023 ? Le trio arbitral comorien qui doit diriger le match Madagascar – Seychelles (à19h) de ce soir n’a pas pu se restaurer depuis le matin. L’organisation est directement pointée du doigt d’après les témoignages qui nous parviennent. On nous signale égalemant des conditions difficiles d’hébergement et des problèmes liés à la restauration dans les différentes délégations des îles participantes (des cas d’intoxications alimentaires). Teo amin’ny fampahalalam-baovao avy eto an-toerana indray (I-bc News) tamin’ny alakamisy 24 aogositra 2023 tamin’ny 8ora alina latsaka fahefany, no nanambaran’ny mpilaza vaovao tao ny hoe: « LALAON’NY NOSY : Mpilalao avy amin’ny Nosy samihafa no fantatra fa tojo tsy fahasalamana vokatry ny sakafo. Ho an’i Maurice, mpilalao basketball miisa 5 no narary kibo nanomboka alina. Nanamarina izany ny mpanazatra azy ireo ».