Andry Tsiavalona
Tsy nahomby ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 raha tsy nisy ny rà latsaka, araka ny fivorian’ireo mpihoko teny Ambatobe ary dia nisy tokoa izany ny 07 febroary 2009 rehefa nomen-dRajoelina Andry Nirina “tsodrano” ny Praiminisitra notendrena teny an-dàlambe nananika ny Lapam-panjakan’Ambohitsorohitra.
Iny toe-draharaha iny tokoa mantsy no nentina nandranitana ny foloalindahy nitifitra tamin’ny tafondro ny Lapam-panjakan’Iavoloha, ny 17 Martsa 2009, ka nahatonga ny Filoha Ravalomanana Marc nanao sesitany ny tenany, mba tsy nanaovana sorona ny vahoaka Malagasy izay nivonona niaro azy. Nahomby tokoa ny fanonganam-panjakana, satria nisalotra ny naha filohan’ny tetezamita azy Rajoelina Andry Nirina. Tahotry ny korontana na ny rà nandriaka teto amin’ny Firenena, hono, hoy ny filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana tamin’ny 2018, no antony namoahan’ity andrimpanjakana ity ny didy tsy azo ivalozana fa Rajoelina Andry Nirina no lany ho filohan’ny Repoblika. Azo eritreretina ihany koa fa nahafantatra ny maha vazaha frantsay an-dRajoelina Andry Nirina ny filohan’ny HCC tamin’izany, saingy ny “doublons” roa hetsy sy iray tapitrisa ihany no sahiny novakiana bantsilana taty aoriana. Tsy nahasakana ny rà latsaka anefa izany satria iaraha mahatadidy fa ny harivan’ny nanaovan-dRajoelina Andry Nirina fianianana dia nikodia ny vato aman-taonina maro tetsy Ampamarinana ka namoizana aina olona maro.
Nandritra ny efatra taona sy tapany nitantanan’izao fitondrana izao ny Firenena dia nisy hatrany ny rà latsaka toy ireny tany amin’ny Oniversite Barikadimy-Toamasina izay tifi-danitra no nahavoa ny fen’ny mpianatra iray. Ny tany Farafangana nitifirana ireo voafonja nitsoaka, ny tany Ikongo nitifiran’ny zandary vahoaka tànam-polo tsy nisy fampitandremana ka namoizana ain’olona amam-polony kanefa dia tsy nisy tohiny ny fanadihadiana nolazaina fa natao.
Tsy maintsy hametra-pialana Rajoelina Andry Nirina, ato anatin’ny 9 andro, raha mbola hisisika hilatsaka kandidà ho filohampirenena ihany na dia raràn’ny lalàna aza izany. Efa ny rà latsaka foana no nialohan’ny di-dohan-dRajoelina Andry Nirina teo amin’ny fandrombahana fahefana. Raha ny kabary nataony teo amin’ny fanapahan-kevitra momba ny fandraisana ny Lalaon’ny Nosy dia ho avo folo heny amin’ny tany Maorisy farany ny fandraisana sy ny fanomanana ity Lalao faha-11 ity eto Madagasikara ity. Koa tandrevaka sa tsy fahaizana sa fanahiniana no nahatonga ny lesoka isan-karazany teo amin’ny sakafo nankarary sy ny trano fandraisana tsy ampy fitaovana teny amin’ny CCI Ivato ireny?
Nisy ny fidarohana sy fandratrana ary fisamborana mpianatra teny Ankatso ny alakamisy 24 aogositra, kanefa tsy nahafa-po an-dramatoa tandapa iray izany ka raha izy, hono no teny dia nataony “darok’alika” ny mpianatra ka nety ho vokatr” izany dia rà latsaka. Iray andro nialohan’ny lanonana fanokafana ny Lalaon’ny Nosy ny zoma 25 aogositra hariva io tranga io, ka angamba, tsy nisy ny rà latsaka teny Ankatso, araka ny fanirian’ilay ramatoa, dia tanteraka izany teny Mahamasina, ka ampolony ireo namoy ny ainy ary an-jatony ny naratra.
Tsapa tamin’ny fikoranana sy fandihizana tao an-kianja sy tamin’ny kabarin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry Nirina, fa tsy ny zom-pirenena maha Malagasy azy ihany no nariany fa hatramin’ny Kolontsaina sy ny Soatoavina Malagasy mihitsy. Raha raim-pianakaviana no manana zanaka maty sy maratra, na dia tany amin’ny toerana lavitry ny fonenana aza, dia tsy maintsy nilomay niatrika izany fa tsy naniraka olon-kafa. Tsy ny fanomezan’ny fitondrana fanampiana ara-bola no fanehoam-pitiavana lehibe indrindra, fa ny fahitan’ny fianakaviana niharam-bohina mivantana ny milaza ho “rain’ny Malagasy rehetra” mampahery azy.
Nialohavan’ny rà latsaka indray ny famaranana ny fitondran-dRajoelina Andry Nirina, koa raha mbola misisika na hamporisihan’ny tandapa hirotsaka kandidà ihany izy dia tsy ho azo ihodivirana indray ny hisian’ny rà latsaka eto amin’ny Nosy. Tsy misy tantara miverina in-droa anefa satria tsy nitovy ny toe-javatra nanery ny filohan’ny Repoblika nifandimby nitondra niala teo amin’ny toerany tao anatin’izay telo ambienimpolo taona izay na dia nialohavan’ny rà latsaka hatrany aza izany. Mialohan’ny fifidianana izao savorovoro politika sy tsy fitoniana ara-tsosialy eo amin’ny lafiny rehetra misy eto amin’ny Firenena izao, ka amin’ity indray mitoraka ity dia fihetsika tsy voasaina avy amin-dRajoelina Andry Nirina no hiteraka “teboka tsy azo iverenana intsony” (point de non retour).