Talohan’ny Lalaon’ny Nosy – Tsy vita ny lalana, tsy vita ny teleferika, tsy vita ny train urbain…

Aly

Nilokaloka izao fitondrana Rajoelina izao, fa ho vita mialohan’ny Lalaon’ny Nosy natao teto amintsika nifarana ny alahady teo, ireo lalana potika eto an-drenivohitra, ho vita ny tekeferika, ho vita ny train urbain,… Tsy izany anefa no nisy fa tsy vita ny lalana, nisy ihany ny natao saingy tsy vita hatramin’ny farany izy ireny, fa ao no nolavadavahana dia navela eo fotsiny.

Tsy vita nialohan’ny lalao koa ny teleferika, tsy vita na tsy nandeha koa ny train urbain aloha hatreto. Ny fako izay nilokalokana koa fa ho afaka, nanaovana hetsika lehibe dia tsy vita koa izany, satria dia hitan’ireo vahiny niatrika ny lalao ny loton’Antananarivo, ny fahantran’ ny vahoaka Malagasy noho ny nataon’izao fitondrana Rajoelina izao. Ny delestazy no niatoato kely nandritra iny lalao iny, nefa na izany aza, tsy vitsy indray ireo faritra tapaka ny jirony omaly teto Antananarivo sy ny manodidina araka ny filazana nataon’ny Jirama ihany koa.

Tsy mendrika ijanona amin’ny toerany intsony ny mpitondra amin’izao fotoana izao, satria tena tsy mahavaha ny olam-bahoaka sy ireo rehetra marary azy.