Andry Tsiavalona
Navoakan’ny Fitsarana Ao momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny anaran’ireo kandidà voasivana, fa afaka hifaninana amin’ny fifidianana, fihodinana voalohany, ho Filohampirenena, ny 09 novambra 2023 ho avy izao. Araka ny efa fantatra dia miisa telo ambinifolo izy ireo, ka tena mahatafintohina ny maro ny mbola nahatafiditra an-dRajoelina Andry Nirina. Nisy ny fitoriana napetraky ny antoko vitivitsy momba ny tsy fahafahan’ny filohan’ny Repoblika nametra-pialàna noho izy mizaka ny zom-pirenena frantsay kanefa dia « tsy azo raisina » hono izany hoy ity Andrimpanjakana mpiaro ny Lalàmpanorenana ity.
Nanampy trotraka izany koa ny nametrahan’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, teny amin’ity Andrimpanjakana ity ny taratasy manambara ny tsy fahafahany misahana ny andraikitry ny filohampanjakana. Nampangoro vitsika ihany koa ny nahenoana fa notendrena tao amin’ny filankevitry ny minisitra, natao maimaika ny zoma 08 septambra 2023, ho loholona ny jeneraly baomba, Ravalomanana Richard, satria azo heverina fa hampiantso tsy ara-potoana ny Antenimierandoholona ny mpanatanteraka, ka hametraka ny jeneraly misotro ronono ity ho filohan’ity Andrimpanjakana ity hisolo toerana ilay tsy afaka misahana izany andraikitra izany intsony.
Tsy nahomby anefa izany, satria fetsy koa ny Praiminisitra ka nangataka ny hevitry ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana momba ny fahafahany mitantana ny fitondram-panjakana izay neken’ity Andrimpanjakana ity. Rehefa dinihana, alaina ambony, alaina ambany izao fihetsikatsehana ataon’ny fitondrana izao dia milalao sarimihetsika indray izy ireo, ka araka ny mahazatra dia efa fantatra ny fiafaràny. Toa diso daholo anefa ny tombatombana satria natakalon-dRajoelina Andry Nirina izay tsy nitolona sady tsy TGV ireo niara-nanongam-panjakana taminy. Diso hevitra ihany koa ireo kandidà roambinifolo hifaninana amin-dRajoelina Andry Nirina raha tsy hihetsika hanohitra izao faneken’ny HCC ny maha kandidà azy izao.
Misy ny mihevitra fa ny fanatrehan’ireto kandidà ireto ny fisarihana nataon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny laharana ao anaty biletà tokana, omaly alatsinainy, dia toa efa mampiseho fa manaiky ny maha kandidà ny vazaha frantsay izy ireo. Midika ihany koa izany fa efa mahazo antoka Rajoelina Andry Nirina fa ho lany satria hitam-poko, hitam-pirenena fa miandany aminy ireo andrim-panjakana misahana ny fifidianana. Manampy trotraka izany ny fitsipi-dalao sy ny famerana ny vola sy fitaovana hoentina manao fampielezan-kevitra mba hitovy tantana ny kandidà mandritra izany. Hita ihany koa fa efa mangalatra fiaingana Rajoelina Andry Nirina tamin’ny nanaovany fitokanana fotodrafitrasa tamin’ny fampiasàna fitaovam-panjakana sy fanerena ny mpiasam-bahoaka nanatrika na nanao fanambarana nangataka azy hirotsaka.
Ny loholona iray tao amin’ny fandaharana tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina dia nilaza fa ny Lalàmpanorenana no tsy maintsy hajaina, ka araka ny voarakitra ao dia mahazo milatsaka rehefa malagasy. Miaro ny tsy azo arovana sady mamita-bahoaka ity olona heverina ho olon-kendry ity, satria Rajoelina Andry Nirina dia efa nanary ny maha gasy azy an-tsitrapo fa tsy noterena. Haverina foana : « Tsy Gasy fa Vazaha » Rajoelina Andry Nirina ary mpiray tsikombakomba amin’izao famadihana Tanindrazana sy fanitsakitsahana ny Fiandrianam-pirenena izao ny minisitry ny Fitsarana, raha nanao sonia ny taratasy milaza fa malagasy ity vazaha ity. Na izany na tsy izany dia tsy ampy ny fanambarana tsy fanekena ny maha kandidà nataon’ireo kandidà mpifaninana satria « tsy azo raisina », hono, izany hoy ny HCC koa tsy ho very maina ny hetsika izay nataon’ny Malagasy any Frantsa (diaspora) dia mitaky firaisankinan’ireo kandidà ivelan’ny fitondrana, ka hangataka mivantana ny hevitry ny « mpampindrana fahefana » (vahoaka Malagasy).
Tsy izao fitondrana izao mihitsy no hitaky fanajàna lalàna, satria tato anatin’ny dimy taona dia nitsakitsahin-dRajoelina Andry Nirina sy ny tandapa, no nanao toy ny tsy misy ny lalàna rehetra. Lo, lo, lo,… tsy misy ilàna azy intsony izao fitondrana izao ka tsy maintsy hozongozonina hilatsaka ary halevina mba tsy hanamaimbo ny tanàna intsony. An’ny Malagasy ity Nosy ity ka “tsy ho fatra-pandefitra toy ny mpivaro-tantely, ka ny tompony indray no milela-tànana”.