EDITO 7 Novambra – Tsy eken’ny maro ny fifidianana maloto – Tsy avela velively anjakan’ny ratsy ny firenena

Sôh’son

Miharihary tsara izany izao fa ampidirina amboletra amin’ny lalao maloto na fifidianana maloto ny vahoaka malagasy, ary ny miezaka manao izany dia i Ntsay Christian sy ireo minisitra miara-dia aminy, ny jeneraly bômba, ny HCC ary ny Ceni, ary ao ambadik’izy rehetra ireo i Andry Rajoelina. Tsy eken’ny maro nefa ny hanatanterahana izany fifidianana maloto izany. Misy ihany koa ireo ampahan’olona misalotra fitafiana volom-boasary manaiky ampidirina hihosona ao anatin’izany loto izany, rehefa avy nomena vola kely sy nosasana atidoha amin’ny lainga mandrotsirotsy amitahana azy. Asakasak’izay manaiky atao an’izany.

Ezahina atao amin’ny fomba rehetra ankehitriny izay amotehana ny hetsiky ny vondron’ny kandidà 10, mitaky ny hisian’ny fifidiana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra. Niharihary izany tao anatin’ny herinandro maromaro izao, ary niaraha-nahita tsara ireny tamin’ny sabotsy 04 Novambra teo ireny. Nirahina ireo andiana zandary nokaramaina vola hanao sy hampiasa herisetra miharo habibiana manoatra noho ny ataon’ny jiolahy sy dahalo. Nohosihosena tanteraka tsy nasiana indrafo ny zon’olombelona nanerana ny renivohitra, izany hoe nohosihosena ny demôkrasia, ary nihemotra lavitra amin’izany ny firenena. Iaraha-mahalala, fa efa « mafià » mihitsy na vondron’olona mpanao na mpikotrika ratsy baikon’ny vola sy fiarovan-tombontsoa manokana, no mihazom-pahefana amin’izao fotoana izao. Hany ka izay no mahatonga ny maro, indrindra ny tena kristiana mivavaka no mamaritra ny zava-misy hoe ady amin’ilay ratsy no atrehina eto. Ilay ratsy tsy mahazaka ny fahamarinana, ny rariny sy tsy hitsiny hanjaka eto amin’ity firenena ity. Izany toetra izany dia tena manao izay hampilentika ny firenena tanteraka, satria tsotra sy mazava fa ny fahamarinana ihany no hany manandratra ny firenena.

Raha avela hihosona amin’ny loto sy atao amboletra ny fifidianana eto, tsy hanjary mihitsy ny ho vokatr’izany eto na hihodin-kavia na hihodin-kavanana ireo mikotrika izany. Vao mainka hilentika ity firenena ity, ary tsy vitan’izany fotsiny, fa ho lasa sy hanjakan’ny vahiny, indrindra ny Frantsay ambongadiny ity firenena ity, izay hangorobaka tanteraka ny harem-pirenena eto. Ho voa mafy amin’izany ny taranaka any aoriana, fa tsy hisy harena avy amin’ny razany holovainy intsony, fa efa lasan’ny vahiny sy ireo olom-bitsy malagasy iray petsapetsa amin’izy ireo avokoa. Izay indrindra no itoloman’ny vahoaka ankehitriny, mba tsy ho tonga amin’izany, ary tena fitiavana lehibe ny firenena izany.

Tsy azo ekena ny hamela ny firenena hihosona amin’ny loto toy izao. Tsy mendrika an’izany ny vahoaka malagasy, izay tokony hanana ny maha izy azy ary tsy ho mena-mitaha amin’ny hafa. Tsy maintsy sakanana amin’ny fomba rehetra ny tetika maizina ataon’ireo mihazom-pahefana, sy olom-bitsy miaro tombontsoa manokana tsy miahotra sy tsy matahotra kely akory ny hivarotra ny tanindrazana. Efa mandeha izany hetsika izany ankehitriny ary hampaherezina ny olom-pirenena rehetra manao ny tolona amin’ny endriny samihafa rehetra. Tsy avela anjakana sy ho potehin’ny ratsy ny firenena.