Nangonin’i Niaina
Maneho hevitra momba ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana i Michel Narcisse avy amin’ny fikambanana Sakaizambahoaka, aboahay an-kiaka izany hazava tsara hoy izy:
“Nandalo kihon-dalana sarotra ny firenena nanomboka ny taona 2002 ka hatramin’izao taona 2023 izao. Anisan’ny krizy politika goavana ny fifidianana filoham-pirenena taona 2002, izay nifanandrinan’ny antoko TIM sy ny antoko AREMA tamin’izany. Vokatr’izany, resy 1er tour tamin’izany ny andrarezina filoha Didier RATSIRAKA (AREMA) mpanompo mahatokin’ny Frantsay mpanjanatany. Nandresy mazava kosa ny antoko TIM notarihan’ny filoha RAVALOMANANA Marc anisan’ny mamim-bahoaka. Araka izany, sambany teo amin’ny tantaran’i Madagasikara no tsy afaka nitondra an’i Madagasikara intsony ny mpanompo mahatoky saribakoly voabaikon’ny Frantsay nanomboka ny taona 2002. Tao aorian’izany faharesena izany, nahavita zava-doza tsy roa aman-tany ny mpomba ny filoha RATSIRAKA, ka namotika foto-drafitrasa maro, nangorona vola sy harena sarobidy maro ary nitondra nandositra izany rehetra izany tany Frantsa. Ny taona 2002,nanomboka teraka ny lolom-po sy fankahalana sy ny fanenjehan’ny Frantsay sy RATSIRAKA, ny filoha RAVALOMANANA sy ny vahoaka Malagasy.
Marihina eto fa nandritra ny 7 taona (2002-2009) no nitondran’ny filoha RAVALOMANANA an’i Madagasikara. Vokatr’izany, nanomboka nandroso, nivoatra sy nampantanjaka an’i Madagasikara izany fitondrana izany teo amin’ny sehatra ekonomika, sosialy sy politika ary tsapa maneran-tany izany fiantombohan’ny fandrosoana teto Madagasikara izany. Efa nanomana an’Andriamatoa Rajoelina sy ny antoko TGV hanao valifaty politika amin’ny alalan’ny fanonganam-panjakana, tanjona hamerenana indray an’i Madagasikara eo ambany ziogan’ny Franstay i Frantsa. Niteraka ny krizy politika lavareny dimy taona (2009-2014) ary Andriamatoa Rajoelina no filohan’ny tetezamita tamin’izany. Fitantanana tari-tokana, fitondrana jadona tsy refesi-mandidy, fanitsakitsahana lalàm-panorenana, zon’olombelona sy tany tan-dalàna no nanjaka. Nohenjehina ny filoha Marc RAVALOMANANA, ka lasa nanao sesitany tsy fidiny ny tenany tany Afrika atsimo. Ny taona 2014, efa nanana zom-pirenena Frantsay Andriamatoa Rajoelina vazaha, nafenina mafy izany ka ny taona 2023 vao fanta-bahoaka. Betsaka ny voka-dratsy naterak’izany, ka ny taona 2014 efa notantanan’ilay putchiste Rajoelina vazaha TGV ankolaka ny vahoaka Malagasy. Politika sy fahefana voabaiko iarovana ny tombontsoa miavosan’ny Frantsay sy ireo vahiny mpangoron-karena no notontosain’ity Rajoelina vazaha mpanongam-panjakana ity. Nisy ny accord politique fitadiavana vahaolana maro tamin’izany fanonganam-panjakana izany (Accord politique Maputo, Addis-Abeba), izay niarahan’ny 4 mouvances izany. Fitantanana iarahan’ny 4 mouvances izay vita sonia iraisam-pirenena (Co-présidence) no vahaolan’ny tetezamita iraisana. Transition consensuelle inclusive démocratique transparente juste, no raikitra tamin’izany. Nolavin’Andriamatoa Rajoelina vazaha ankitsirano tsotra izao io fifanekena iraisam-pirenena io, ka voaheloky ny (ONU,UE,SADEC sy ny TPI, sns…) ny 109 mpanongam-panjakana tamin’izany. Tsy nampiharina izany nohon’ny fanelanelanan’ny Frantsay.
Mbola fikafika politikan’ny mpanjanatany Frantsay ny vahaolana (Ni Rajoelina- Ni Ravalomanana) ny taona 2014. Voasolo tena ireto farany ka Andriamatoa Jean Louis Robinson no an’ny antoko(TIM) ary Andriamatoa Rajaonarimampianina no an’ny (TGV). Izy roa ireo no kandidà filoha taona (2014). Voaketrika sy voavolavola mialoha ireo rantsa-mangaika nikarakara izany ka fifidianana feno hosoka sy hala-bato bevata no tanjona (HCC, CENI, Gouvernement, députés, sénateurs, maires, sefo FKT, sns…). Tsy ilaina ilay certificat de naturalisation Malagasin-dRajoelina fa hosoka sy fitaka fotsiny hiarovana azy ho kandidà amin’ny taona 2023 ihany izany. Ao ireo gendarme corps spécial miaro ny vahiny sy ny fananany, efa zatra ady, mpamoritra sy mpandrava tolom-bahoaka, mpampihorohoro amin’ny basy aman-tafondro sy lacrymogène miaro fisamborana sy fanagadrana izany. Aoka ho mailo fa hampanao amboletra fifidianana hampandaniana an-dRajoelina ny antoko TGV sy ny Frantsay, no Mission-n’izy ireo. Araky ny ambetitenin-dRajoelina taona 2009 anefa manao hoe : « avelao ilay 50 taona lasa (1960-2010) néocolonialisation 1er tranche io, fa ny 50 taona vaovao (2010-2060) indray no jerentsika miaraka, izany hoe : « Néocolonialisation 2ème tranche izany ». 5 taona ihany anefa ny mandat iray, ka ahoana moa ity Rajoelina vazaha ity no hamaritra 50 taona be izao, fanjanahana an’i Madagasikara tsotra izao izany.
Ankehitriny, efa latsaka anaty adin-tsaranga (Lutte de classe) hatry ny ela ny vahoaka Malagasy. Tsy asiana ady hevitra sy fihetseham-po ny tolom-bahoaka. Aleo hiavaka ny vary sy ny tsiparifary. Ireo tena namana mpitolona miaraka amin’ny vahoaka tia tanindrazana hanavotra an’i Madagasikara. Ao kosa ireo olom-bitsy fahavalom-pirenena : mpandrendri-bahoaka, mpivarotra tanindrazana andevom-bazaha TGV mbola te hanohy ny fanjanahana sy fitsetsefana an’i Madagasikara ho eo ambany fifehezan’ny Colon, Capitaliste sy Impérialiste, ka ny hanjakazakan’ireto farany aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe (Océan Indien), ara- ekonomika, sosialy sy ara-géo-politique no tanjon’izy ireo amin’izany. Manan-danja loatra i Madagasikara, rakotra harembe goavana tsy mety ritra RESERVE DES MATIERES PREMIERES INEPUISABLE : ny ILES EPARSES, ary mety BASE MILITAIRE STRATEGIQUE ianteheran’izy ireo ao aoriana ao izany. Voazara bolcs roa izao tontolo izao, anjarantsika ny misafidy lalan-jotra politika mety amintsika tahaka ireo firenena Afrikana rahalahitsika afaka teo ambany ziogan’ny Frantsay sy ny forongony tamin’ny tolom-panafahana mavaivay izay novidin-dafo hahazoana ny tena fahaleovantena madio mangarahara: Algérie, Rwanda, Mali, Burkina-Faso, Afrika Atsimo, Niger, sns… Tsy vitantsika samy irery izany, mila tohana ara-piahara-miasa amin’ireo firenen-dehibe matanjaka vonona hanaja ny hasin’ny demokrasiam-bahoaka, ny zon’olombena sy ny tany tan-dalàna. Tsy ekena velively ny kandidà Andry Rajoelina vazaha satria, raha ny masontsivana takiana fotsiny no jerena amin’ny kandidà filoham-pirenena, tena maro tsy tambo isaina ny fahotana mahafaty vitan’ity rangahy ity. Hery lehibe sy goavana ny fikambanan’ireo kandidà 10 izay nianiana imasom-bahoaka, fa hanavotra an’i Madagasikara tsy ho viravirain’ny Frantsay sy vahiny intsony. Masina ny tanindrazana : « Malagasy vao vahiny » orinasa sy foto-drafitrasa hiasan’ny Malagasy 28 tapitrisa no lohalaharana ary tafi-bahoaka Malagasy hiaro vahoaka no ilaina fa tsy gendarmes hiaro ny tombontsoan’ny vahiny sy ny fananany.