TAMBAZOTRAN-JIOLAHY

Tambazotran-jiolahy, izany indray izao no mahoraka,
Vao natsangan’ny mpitondra very saina sy mivoraka!
Maro mantsy ireo bebasy no efa tongatonga saina,
Ka ireo indray no noraofina, ary dia nokaramaina!

Tambazotran-jiolahy handrava ny hetsika rehetra,
Ka hamono sy hanimba sady hampiasa herisetra!
Efa hita tamin-tsary vao omaly ny omaly
Fa voabaiko tsotr’izao hidaroka sy hampijaly!

Tambazotran-jiolahy izay efa toy ny mpandrongony,
Izany indray no karamain’iretsy vendrana eny ambony,
F’efa toa hivadika aminy, eny hatramin’ny bebaoty,
Ka dia izy ireo indray no efa manditsaka an-kilaoty!

Tambazotran-jiolahy, izay no misy ankehitriny.
Indreo mitohy ny hadalana tamin’iny lalana iny!
Ny vahoaka hatrany hatrany no mivesatra ny ngidiny,
Vokatry ny hadalan’ireo mpitondra tsisy vidiny!

DADAN’i RIANA (07-11-23)