AMIN’NY DIMY TAONA HO AVY

Mbola izao ve no ho lalana amin’ny dimy taona ho avy?
Tsia, mba ampy kosa izay ry rahalahy sy anabavy.
Mila atsahatra tanteraka ny nofinofin-dRajoelina,
Fa tsy folo taona isika ho ao anatin’ny tonelina!

Mbola izao ve no ho lalana amin’ny dimy taona ho avy?
Tsia, fa ampy izay ny lainga sy ireo ronono an-tavy.
Tsy fanaovana andranandrana ao anaty fitondrana,
Na koa fambotriam-bahoaka sy fanaovam-pilibana!

Mbola izao ve no ho lalana amin’ny dimy taona ho avy?
Tsia, f’ianao mpitondra hatrany no hita ho tena mihamatavy
F’izahay vahoaka kosa, mihamahia na koa marary,
Miatrika kapoakam-bary efa lasa arivo ariary!

Mbola izao ve no ho lalana amin’ny dimy taona ho avy?
Tsia fa tena ampy izay ka mijoroa ry mpianakavy.
Na ianao an-drenivohitra, na ‘zahay ety an-tsaha,
Andeha toherina tanteraka izany hoe « filoha vazaha »!

TSIMIMALO (12-11-23)