TSY AFANY NY FANADINANA

Tsisy zavatra foronina fa miparitaka ny sary,
Ny amin’ny zavatra nataon’ireo bebaoty sy zandary.
Misy ny tsy mahafehy ireo fitaovana ampiasainy,
Hany ka dia maro ihany iretsy olo-noratrainy!

Iretsy lohany aminy aza, tena mampiteny irery
Fa toa tsy mahay manavaka ny herisetra sy ny hery!
Handrava hetsika no atao kanefa indrisy tsy voafehy,
Fa bala no indro misavoana sy mandavaka tarehy!

Nanampy trotraka ary tena nanamaizina ny sary,
Ny fisian’ireo « be sandry » izay niseho mibaribary
Fa nanendaka finday kanefa dia voaaro hatrany,
Namana mpanao gazety no voaroba tamin’izany!

…Izany hono no ambara fa mpitandro filaminana!
Raha tsaraina dia mazava: tsy afany ny fanadinana.
Tena mila mianatra izy: sarobidy anie ny aina,
Ka mba misy ihany dingana ny amin’ny zavatra ampiasaina!

IRINA HO TAFITA (10-11-23)