EDITO 14 Novambra – Fotoana ijoroana tanteraka amin’ny foto-kevitra miaro fahamarinana izao

Sôh’son

Ao anaty fotoana fijoroana tanteraka amin’ny hevitra matotra fiarovana ny fiandrianam-pirenena izao. Mila entanina ny olom-pirenena saropiaro fatratra amin’ny famerenana ity firenena ity ho amin’ny tany tan-dalàna sy hanjakan’ny fahamarinana. Tsy fotoanan’ny firoaroavan-tsaina izao, fa tena ilàna ny fijoroana ara-potokevitra mitsinjo marina ny hoavin’ny firenena sy ireo taranaka any aoriana.

Iaraha-mahita toy ny masoandro be lohataona mantsy ankehitriny ny hevi-dratsy hanapotehana ny firenena, sy hamiliana ny dia ny ho any amin’ny tsy fanjariana sy fahalovana. Ampiasaina ao anatin’izany ilay fototry ny ratsy rehetra, dia ny vola, izay aparitaka atao fafy katrana amin’izay olona azo baboina sy badoina ary azo vidiana, tafiditra hatrany amin’ireo zandary sy polisy noheverina hiaro lalàna sy tanindrazana. Mahery tokoa ve ny vola sa ireo olona azo vidim-bola no efa rakotry ny fahantrana amin’ny lafiny rehetra, na efa ny saina mihitsy no mirefarefa sy domelin’ny zavatra iainany andavanandro? Izany anefa dia maneho mazava fa efa an-dalam-pahapotehana ny firenena fa tsy hoe tandindomin-doza intsony, fa efa mihàtra aminy mihitsy. Olom-bitsy mpanao politika mpanefoefo no miray petsapetsa amin’izany, noho ny figohana sy figalabonana ny harembe azony eo anivon’ny fitondrana hatramin’izay. Ireo sarambabem-bahoaka ihany anefa no mibaby ny vokatr’izay fitiavan-tenan’ny olom-bitsy tsy mahalala afa-tsy izay hihazonana fahefana, sy harena nogorobahiny teto amin’ity firenena ity. Tsy mampaninona ireto farany na dia ho lafo ambongadiny amin’ny vahiny, indrindra amin’ny Frantsay, aza ny firenena, ka ho kizo fara ireo taranaka any aoriana.

Na hanampatra ny heriny aza ny mpanao ny asan’ny maizina rehetra isan-tsokajiny, satria hita fa misy sokajiny izy ireo, ary misandrahaka amin’ny sehatra samihafa, dia tsy atao velively hampihemotra amin’ny foto-kevitra nijoroan’ny hetsika fotsy izany. Ny fijoroan’ny olom-pirenena vanona rehetra no ho setriny mahery vaika hanoherana ny fifidianana anaty loto tadiavana atao amboletra eto. Tsy azo ekena marindrano n’inona n’inona hitranga ny fampidirana ny firenena anaty loto toy izany. Ireo olom-bitsy no efa miaina anaty loto feno haratsiana, fa tsy ny firenena sy ny vahoaka malagasy velively. Tsy maintsy toherina hatramin’ny farany izany fihetsika mamohehitra izany, ka ho fantatry ny taranaka any aoriana, iza no vahoaka na olom-pirenena mitsinjo marina azy ireo, sy ireo saropiaro fatratra ity firenena ity tsy ho hanjakan’ny vazaha frantsay toa an’i Andry Rajoelina.