EDITO 18 Novambra – 16 novambra 2023 – Nanohitra fifidianana maloto sy amboletra ny Malagasy

Sôh’son

Tsy tokony hadinoina velively fa iny fifidianana natao amboletra sy maloto ny 16 Novambra iny, dia tena faran’izay ratsy indrindra hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantena. Noho iny fifidianana iny maloto sy amboletra ary tsy marina, nanohitra izany amin’ny ankapobeny ny Malagasy, nijanona tany an-trano ny maro an’isa mpifidy fa tsy nandeha nandatsa-bato. Fifidianana teo ambony rà latsaka sy aina nafoy ihany koa iny fifidianana iny, ankoatra ny fampiasana herisetra tamin’ny endrika sy fomba maro samihafa ary fampiadiana ny mpiray tanindrazana. Nisy mpiray tanindrazana noratraina teto, nisy namoy ny ainy, nisy nosamborina sy nogadraina ary mbola tanana am-ponja mandraka ankehitriny. Niseho izany nialohan’ny andron’ny fifidianana, nosetrasetrain’ireo olom-bitsy nomena vola, « gros bras », sy ireo zandary « barbares » ary ireo polisy mpisetrasetra ireo vahoaka nidina an-dalambe nanao hetsika fotsy. Notazanim-potsiny izany rehetra izany, fa tsy nisy fandraisana fepetra sy fanadihadiana akory na fanasaziana. Mazava loatra fa iray tsikombakomba avokoa izy rehetra mihazom-pahefana miaraka amin’ireo mpanao politika tohanany, izay kendreny hampandaniana ankehitriny. Izy rehetra ireo, ny tanany, dia mihoson-drà avokoa, ary mangidy hoditra amin’ny vahoaka.

Fifidianana maloto indrindra raha samy fifidianana natao teto amin’ny firenena iny nataon’ny Ceni iny, ary maha afa-baraka ny firenena malagasy. Nitodika taty amintsika avokoa mantsy ny mason’izao tontolo izao, indrindra ireo firenen-dehibe miara-miasa amin’i Madagasikara. Fifidianana efa fantatry ny mpitarika sy ny vahoaka mpanao hetsika fotsy, no hitranga handritry ny fifidianana sy izao fotoana aoriany izao. Ny tanjony dia nazava be sy niharihary fa hampandany an’i Andry Rajoelina, ilay kandidà vazaha lavin’ny vahoaka malagasy saropiaro sy tena sarotiny amin’ny fiandrianam-pirenena. Nazava ihany koa anefa ny hafatry ny mpitarika ny hetsika fotsy, fa mitohy ny tolona satria ny ady tsy mbola vita akory. Dingan’ady ary ampahany ihany iny vita iny, fa tsy mifarana sy tapitra ny ady. Tsy azo eken’ny saina velively mantsy raha vazaha frantsay no hitondra firenena. Tsy azo amidy ny tanindrazana.

Ratsy fototra tanteraka iny fifidianana iny ary fitondrana ratsy fototra izay mijoro eo, satria lavin’ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy. Ampahana vahoaka , ary ambivitra amin’ny isan’ny mpifidy ihany no nampandany azy, ary niaraha-nahita sy nahalala tsara izany. Mazava loatra, fa tsy hisy fampandrosoana velively ho vanona eto na hihodin-kavia na hihodin-kavanana ireo mpiara –dia aminy niara-nanao amboletra tamin’ny fifidianana. Tsy ny maro an’isa no nandany azy, izay midika fa tsy hisy fiaraha-mientana velively amin’izay asa fampandrosoana atao eto izany n’inona n’inona hatao. Araka izany, dia vao mainka hikorosy fahana ihany ny sehatra samihafa iainan’ny vahoaka, fa ny harenan’ireo olom-bitsy mpiray petsapetsa amin’izao haratsiana sy fahalovana izao no hitombo. Hahazo vahana ireo mpanao tantely afa-drakotra sy mpanagorobaka ny harem-pirenena. Ny vahoaka kosa hatao hifafa ny kihony sy hampahantraina hatrany hahafahana mangeja sy mamoritra azy toy izay efa nitranga izay. Tsy maintsy toherina hatramin’ny farany izany fa tsy mendrika intsony izany ny vahoaka malagasy.