Rajoelina sy ny forongony – Mampikorosy fahana ny soatoavina Malagasy sy ny maha-Malagasy

Sôh’son

Tamin’ny fotoana nanaovan’i Andry Rajoelina sy ny forongony fanonganam-panjakana teto amin’ny firenena, ny 2009 – 2010, no nanomboka nikorosy fahana ny soatoavina malagasy sy ny maha malagasy mihitsy amin’ny ankapobeny. Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny tsy fanomezan-danja na fanajàna ireo lazaina ho raiamandreny na zokiolona. Tsy nohenoin-teny mihitsy ireo olona fanàja ireo. Anisan’ny tranga niharihary tamin’izany ny teny amin’ny toby miaramila Ampahibe, ny naniratsiran’ny ambany grady ny manamboninahitra ambony indrindra teto amin’ny firenena. Teo koa ny nitranga teny amin’ny Episcopat Antanimena, izay ny filoham-piangonana mihitsy no nozimbazimbaina sy sahy nokasihin-tanana mihitsy. Mety tamin-dRajoelina avokoa izany rehetra izany, sy ny sisa nanaraka rehetra.

Folo taona mahery aty aoriana, mbola tsikaritra mitohy izany fomba sy toetra ratsy izany. Tsy henoiny ary tsy hamakiany loha ireo raiamandreny samihafa na ara-drazana na avy amin’ny fiangonana, na ny manam-pahaizana, izay tena to teny eo amin’ny soatoavina malagasy. Nisy ny fiantsoana azy teny Mandrimena, ohatra, na teny amin’ny fampiantsoan’ny Vovonana mpanelanelana niarahan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, ny FFKM, ireo olobe maro samihafa tena sangany eto amin’ny firenena. Fa tsy norahirahiany, izy sy ny ekipany izany. Re ihany koa aza, fa tena tsy mihaino izay ambarana raiamandreny na zokiolona ny tenany nandritry ny nitondrany.

Tsy azo antenaina hiova intsony rehefa tsy niova toy izay ny toetrany, hoy ny mpandinika. Ratsy taiza ve? Hoy ny raiamandreny sasany, satria araka ny teny ambaran’ny Baiboly, hoe: “zaro amin’ny lalana tokony halehany ny zaza, fa na rehefa lehibe aza izy tsy hiàla amin’izany”. Hoy ihany koa ny raiamandreny ara-panahy iray izay hoe: “ny toetranareo amin’izao maha zatovo sy tanora anareo izao no ho toetranareo rehefa lehibe”. Ka iaraha-mahita sy mandre ny zava-misy ankehitriny. Raha toy izany no toetrany ary, asakasak’izay miantso azy hoe raiamandreny. Ny mpitondra fanjakana mantsy antsoin’ny Malagasy hatrany ho raiamandreny. Koa raha olona tsy manàja raiamandreny ve atao ahoana no hanajàna azy? Hoy ny zatovo manara-baovao. Sarotra araka izany ny mbola hanomezana azy ny fitantanam-pirenena ankehitriny, ankoatra ny efa tsy azo anekena azy velively ho kandidà amin’ny fifidianana sy hitantana ny firenena. Hatrany amin’ny fototry ny soatoavina malagasy mantsy no navelany hikorosy fahana sy ho potika mihitsy fa tsy ny lafiny politika fotsiny ihany.