Fanitrihana ny mahery fo Ninie Donia – Henin-kaja ny ankohonany, ny fianakaviana ary Nosy-Be manontolo

Isambilo

Tontosa ny alakamisy teo tao amin’ny Cimétière any Hell-Ville ny fanitrihana ny mahery fo Ninie Donia. Vahoaka marobe an’alin-kisa no nanome voninahitra nanao veloma farany ity mpampianatra, mpanakanto ary mpanao politika ity, tsy avy ao Nosy-Be sy ny faritra Diana ihany, fa saika avy amin’ny lafy valon’ny Nosy mihitsy. Anisan’ny nanome voninahitra farany an’i Ninie Donia tany an-toerana, ny kandidà filoha Marc Ravalomanana sy ny kandidà depiote Siteny Randrianasoloniaiko. Azo lazaina fa henin-kaja ny ankohonany, satria niatrika izao fanaovam-beloma farany azy izao ny zanany mirahalahy, henin-kaja ny fianakaviany, i Nosy-Be iray manontolo, ireo mpanakanto namany ary ny antoko TIM sy ny RMDM: antoko sy vondrona antoko politika nisy azy farany fahavelony. Na noezahan’ny fitondrana Rajoelina sy ny forongony noverezina hasina aza i Ninie noho ny nanagadran’izy ireo azy, nanandratra azy ambony dia ambony ny tany Nosy-Be, toy ny fandevenam-pirenena mihitsy no nitranga tany an-toerana. Mandria am-piadanana Ninie Donia.