EDITO 30 Novambra – Mankany amin’ny fiharatsiana hatrany ny firenena

Sôh’son

Tandindonin-doza tanteraka ny firenena ankehitriny mamarana izao volana novambra izao, sy miditra amin’ny volana farany amin’ity taona 2023 ity. Ankoatra ny efa fahapotehana amin’ny lafiny sosialy sy toekarena, dia manao ny ataony faran’izay zokiny ny lafiny politika, izay misintona tsy mitsahatra ny firenena hitsontsorika hatrany ho any amin’ny lavaka mangitsokitsoka faran’ny lalina. Vokatry ny nataon’ireo mihazom-pahefana ankehitriny eo amin’ny rafitra na andrim-panjakana eto amin’ny firenena no anton’izany. Izany hoe, ilay natao ho “môtera” hisintona ny firenena ka hanandratra azy indray, no nampilentika sy nanapotika azy. Dia iaraha-mahita ny tranga samihafa mamohehitra mampiteny ny moana atao eto amin’ity firenena ity nialoha sy nandritra ary izao aorian’ny fifidianana amboletra natao teo iny. Toetra sy fomba ratsy no aseho entina hitantanana ny firenena na dia mody takonana na afenina ao ambadiky ny lainga mandrotsirotsy aza izany. Iza anefa no tsy hahatakatra izany, fa ny bado sy kentrina ihany ary ireo manaiky hikimpy noho ny vola natampina ny masony, no tsy te hahalala sy manohitra izany.

Tsy hifarana io faharatsiana mitoetra ankehitriny io, fa mbola hitohy, satria hazo ratsy tsy hanome voa tsara velively. Ary fitenin’ny Malagasy ny hoe “vorondolo tsy hitera-boromanga velively”. Ny zavatra azo tamin’ny tsy fahamarinana, tsy hiteraka soa velively amin’ny vahoaka sy ny firenena. Ny zava-misy, dia miezaka mafy mamahatra sy mamaka lalina amin’ny fomba rehetra, hatramin’ny herisetra mihitsy, ny mpandala ny tsy fahamarinana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Hamoa-doza ho an’ny vahoaka izany ary hangeja sy hanamontsana azy mihitsy raha ny vinavinan’ny mpamakafaka ny raharaham-pirenena. Ny tena maha loza azy ihany koa dia mahita tsara sy miaina ny zava-misy manjo ny vahoaka sy ny firenena ireo tanora avara-pianarana ary vita fianarana. Maro no kivy ary feno hadisoam-panantenana amin’ny hoavin’ity firenena ity.

Rehefa kivy ny amin’ny firenena izy ireo dia mikaro-dalana ho any ivelany avokoa. Ratsy ho an’ny firenena izany, satria izay ilay lazaina hatrany hoe “fuite de cerveau”, ny mandositra ny manam-pahaizan’ny firenena, ka ny firenen’olon-kafa indray no hampiasany sy hampiharana ny fahaizana azony. Firenena hafa no lasa mahazo ilay tombontsoa avy aminy, fa tsy ilay Madagasikara nikolokolo sy nanabe azy ka tokony hanaovany valim-babena. Ratsy ho an’ny firenena izany, ary tsy noho ny inona fa nohon’ny ataon’izao mpihazom-pahefana eto amin’ny firenena izao. Tsy manabe ny tanora ho tia ny fireneny fa manao izay toetra tsy zaka. Mbola olana lehibe iray manjo an’i Madagasikara koa izany.