Andry Tsiavalona
Tsy mbola nisy vokapifidianana nivoaka tao anatin’ny herinandro, sahala amin’iny fifidianana filoham-pirenena natao ny 16 novambra 2023 iny, hatramin’izay nijoroan’ny Repoblika teto Madagasikara izay. Hamoaka ny vokatra ofisialy ihany koa ny HCC, rafitra mpiaro ny Lalàmpanorenana. Namoaka tamin’ny haino aman-jery sy gazety an-tsoratra ny Ceni, fa lany vonjy maika tamin’ny salan’isa 58,95% i Andry Nirina Rajoelina izay mbola niteniteny indray, fa ho an’ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka.
Maro anefa amin’izao fotoana no tsy mila azy intsony, satria filoha Vazaha, kandidà ho filoha ninia ho Frantsay ka nanary avy hatrany ny zom-pirenena maha Malagasy azy. Raha ny nataon’i Andry Nirina Rajoelina teto amin’ny Firenena nandritra izay dimy taona nitondrany izay dia nampirorona ny fiainan’ny Malagasy no nataony. Fanandevozana no nisy teto, satria nampibaby trosa aman-jatony tapitrisa euros maro ny vahoaka Malagasy no nataony ary nampiroborobo ny toekarena frantsay.
Iara-mahalala fa tsy misy hankasitraka sy hankatoa izay vokatry ny fifidianana hivoaka eo, satria tsy nizotra araka ny tokony ho izy ny fikarakarana izany, feno hosoka, tsy voasoratra ao anaty lisitry ny mpifidy na nisy tsy voasotra ao anaty lisitra kanefa nahazo nifidy ary nisy efa maty kanefa mbola voasoratra. Araka ny vaovao ihany koa dia nisy ankizy tsy ampy taona kanefa nanana karapanondrom-pirenena ary afaka nifidy ihany koa.
Nivondrona ny kandidà folo nanohitra ny fizorana tamin’ny fifidianana raha tsy nadio ny kianja nilalaovana, sy nosoloina ny mpitsara na an-jorony na an-kianja na an-databatra. Nitsangana ihany koa ny Vovonana notarihan’ny Filohan’ny Antenimierammpirenena sy ny Fivondronan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) ary ireo fikambanana isan-karazany, nitaky ny hisian’ny fifanakalozana sy fifampidinihana nialohan’ny fifidianana kanefa dia natao bontolo ihany izany. Tsy vaovao eto amin’ny Firenena ny fandresen’ny kandidàm-panjakana tamin’ny salan’isa ambony dia ambony, kanefa nidaraboka volana vitsy taorian’ny nandraisany ny fitondrana. Tsy mitovy anefa ny vanim-potoana sy ny toe-draharaha iainana, satria tsy mbola nisy ninia naka ny zom-pirenena frantsay ny kandidà lany kanefa amin’ity indray mitoraka ity dia vazaha no hitantana ny Firenena.
Azo inoana fa tsy hanaiky ho handevozina izany raha mbola olompirenena mahatsiaro tena ho tia ny Tanindazany sy ny mpiray firenena aminy. Fanjanahantany no tadiavin’i Andry Nirina Rajoelina haverina eto. Araka izany dia filohan’ny frantsay monina eto Madagasikara izy, fa tsy filohan’ny Malagasy fito ambiroapolo tapitrisa fara fahakeliny. Tsy mitsahatry ny mamahan-dalitra ny vahoaka sahirana sy nampahantrainy, satria tsy hampiova ny faripiainan’izy ireny velively ny koveta sy ny akanjo rebareba ary ny elobe, hany ka zary latsain’ny mpiarabelona ireo notambazana izany, fa ampy hitatazana ranomaso mandritra dimy taona ny koveta be azony. Nampanantenaina telo hetsy ariary koa ny olona nasaina nanao dika mitovy ny karapanondrony rehefa vita ny fifidianana kanefa dia filaharambe ny eny amin’ny foiben’ny TGV taoriana, satria tsy nisy nahazo ny vola nampanantenaina ireto gasy sahirana sy manaiky ho zanahana. Ny tsy fisiana tokoa hono mahazaka maniraka.
Alohan’ny hizorana any amin’ny làlana mankany amin’ny tany malemy hanorenam-pangady dia tsy maintsy haverina ao an-tsaina hatrany ny volana sy kintana nampanantenain’ny mpanome toky, ka firy isan-jaton’izy ireny no notanterahiny. Karaman’ny orinasa mpanao làlana, tambikaraman’ny mpampianatra “vacataires” eny amin’ny Anjerimanontolo tsy voaloa, ny vatsim-pianaran’ny mpianatra eny amin’ny toeram-pianarana ambaratonga ambony miangona amam-bolana maro tsy voaray, sns… Araka izany tsy misy azo antenaina amin’i Andry Nirina Rajoelina vazaha, ankoatry ny fampihorohoroana sy fisamborana ary fanagadrana izay mitaky ny zony. Tsy maintsy tandroina hono ny filaminana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana, kanefa tsy maintsy toherina koa ny famoretana amin’ny alàlan’ny fampiasan-kery sy fanamparam-pahefana, ka tsy maintsy mivondrona sy miray hina ny Malagasy tsy manaiky ho zanahina intsony.