Andry Rajoelina – Tsy manana ny fanohanana sy fankatoavan’ny vahoaka Malagasy

 Andry Tsiavalona

Manaporofo ny tahotr’i Andry Nirina Rajoelina, na dia lany tamin’ny alalan’ny didy navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana aza izy, fa tsy manana ny fanohanana sy fankatoavan’ny vahoaka Malagasy (légitimité) ny fahalaniany. Hiteraka tsy fahamarinan-toerany eo amin’ny lafiny politika izany toe-javatra izany ka efa manao hetsika sy vava tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana sahady Andry Nirina Rajoelina.

Tsy vao izao no nanitsakitsaka ny Lalàmpanorenana ity filohan’ny Repoblika IV ity fa nandritra ny dimy taona nitondrany. Angamba didy tsy azo ivalozana izay avoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana kanefa na dia ity Andrim-panjakana ity aza dia miverin-dàlana toy ny fozaorana tsy an-kijanona. Manaporofo izany ny fanendrena ny filoham-panjakana mpisolo toerana taorian’ny fametraham-pialan’i Andry Nirina Rajoelina ka nomeny ny governemata izany fahefana izany kanefa dia nanendry ny filohan’ny Antenimieran-doholona, napetraka tamin’ny fomba tsy ara-dalàna indray, hiara-mitantana izany toeran’ny filoham-panjakana mpisolo toerana izany indray ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Mbola amin’ny 16 desambra 2023 vao hanao fihanianana i Andry Nirina Rajoelina dia efa nitarika delegasiona tany amin’ny Cop 28, tany Dubai sahady izy ka nandany ny volam-bahoaka tamin’izany.

Etsy an-kilany dia tsy misy manaiky ny nanatanterahana iny fifidianana tamin’ny 16 novambra 2023 iny ny maro an’isa ka porofon’izany ny nanarahan’ny fitopolo isan-jato maherin’ny mpifidy ny toromarika nomen’ny Vondron’ny kandidà 10 tsy nandatsa-bato. Tsy azo lavina ny tsy fahampian’ny fampahafantarana ny vahoaka ny Fitsipiky ny Fifidianana (Code Electoral) fa na firy na firy ny mpifidy tonga mandatsabato dia lany foana izay mahazo vato betsaka indrindra. Niteraka fahadisoam-panantenana (frustration) ho an’ny maro izany kanefa tsy midika fa mandresy Andry Nirina Rajoelina satria araka ny efa voasoratra esty ambony dia tsy hisy filaminana ara-politika eto amin’ity Nosy ity manomboka izao. Ambonin’izany dia ny toe-javatra sahala amin’izao dia hiteraka herizika vaovao ho an’ny olompirenena tena tia ny tanindrazany satria tsy misy manaiky filoham-pirenena frantsay izany satria famerenana ny fanjanahantany sy ny fanandevozana indray izany. Iaraha-mahita ihany koa ny ezaka ataon’ny Vovonana tarihan’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ny Fivondronan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara miaraka amin’ireo Olobe eto amin’ny tanàna hitadiavana vahaolona amin’izao loza mihatra amin’ny Firenena izao. Mibaribary indray tato anatin’ny andro vitsivitsy fa mitady ny fomba rehetra hanapotehana ity Vovonana ity ny mpitondra ary azo hinoana fa ao ambadik’izany i Andry Nirina Rajoelina satria mampiady mpirahalahy iray tampo.

Tsy mitsahatra ny miakatra tsy misy fitsaharany ny fankasitrahan’ny maro ny Profesora Ranjeva Raymond noho ny traikefa hananany eo amin’ny famahana olana hatrany ivelany, indrindra teto Afrika. Niaraha nahita fa mpitondra tenin’ny Vovonana ity Olomangam-pirenena ity teo amin’ny fihaonana tamin’ireo mpiara miom-bonantoka amin’ny Madagasikara. Iaraha mahalala ihany koa fa anisan’ny olompirenena tsy mankasitraka ny fanatanterahana ny fifidianana ny 16 novambara 2023 izy ary ny antony lahibe amin’izany ny tsy fanekena ny naha kandidà an’i Andry Nirina Rajoelina noho ny maha frantsay azy. Heverina fa izany fijoroan’ny Profesora Ranjeva Raymond amin’ny fahamarinana sy ny fikatsahany ny famerenana ny tany tan-dalàna no anton’ny nanendrena ny rahalahiny, ny Jeneraly Ranjeva Marcel, ho « Grand Chancelier » hametraka ny mariboni-nahitra ambony indrindra amin’i Andry Nirina Rajoelina izay midika, araka ny hevitry ny mpitondra, fa manaiky ny maha filoham-pirenena azy ny Jeneraly ary manohitra izany fijoroan’ny rahalahiny izany. Masina ny Tanindrazana ka tsy azo hadinoina fa: « ny daka no misy am-badika, ny loka no misy an-koatra; ny akanjo no soa misy paosy; ny trano no tsara misy efitra; ny tambin-toko no atao anankina; ny salaka no atao sisik’ila; ary ny hofak’ondry no soa mitsimbadika; fa ratsy koa raha ratsy, lehiretsy, raha mba mivadika ny marina».