12 desambra. Filoha Marc Ravalomanana – Happy birthday to you Mister President

Isambilo

Mitsingerina androany 12 desambra ny nahaterahan’ny filoha Marc Ravalomanana, tamin’ny 12 desambra 1949. Arak’izany, feno 74 taona androany ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), izay efa filohampirenena nitondra an’i Madagasikara: ny 6 mey 2002 ka hatramin’ny 17 martsa 2009. Manambady izy, Lalao Ravalomanana no vadiny, vita mariazy izy ireo tamin’ny taona 1974, niteraka 4 mianadahy dia Sarah Ravalomanana, Josoa Ravalomanana, Tojo Ravalomanana ary Maika Ravalomanana. Efa manan-jafikely ihany koa ny filoha Ravalomanana amin’izao fotoana. Ankoatra ny maha-mpanao politika azy, mpandraharaha ara-toekarena koa izy, izy no filoha mpanorina ny orinasa Malagasy Tiko sy Magro, orinasa Malagasy manana ny maha-izy azy hatramin’izao, na eo aza ny antsojay mahazo azy ireo noho ny resaka politika sy ny fialonana, fialonan’ny Malagasy toa antsika ihany, sy fialonan’ireo mpandraharaha vahiny sasany monina sy miasa eto amintsika. Noho ny olana lalina ara-politika, sy ara-toekarena ary ara-tsosialy misy eto Madagasikara amin’izao fotoana, misy ny hafatra ho an’ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka avy amin’ny filoha Marc Ravalomanana, sy noho izao tsingerin-taonany izao koa:

“Ry Vahoaka Malagasy,

Vokatry ny fifidianana natao amboletra sy natao an-kerisetra, nandona sy nampianjera ny fitokisan’ny maro an’isa, dia ireto no mitranga:
– Feno fanahiana ny amin’ny hoaviny ny olona.
– Manahy ny amin’ny fitotonganan’ny fiainan’ny toekarena ny mpandraharaha.
– Matahotra ny hiaina izay ratsy efa niainany ny tantsaha.
– Matahotra ny amin’izay ho fivelomany ny olona.
– Miahiahy ny amin’ny hahavery zo azy ny tena Malagasy.
Satria tsy ho afaka ny hiaro azy akory ilay Filoha natao letrezana, fa efa tsy Malagasy intsony.

Noho izany ry Malagasy mpiray tanindrazana, zaraiko aminareo ireto hafatra ireto:

Hafatra ho an’ny Antoko:
Lohalaharana amin’ny fanarahana sy ny fanentanana amin’ny fiainana politika ny Antoko. Fotoana izao hampihàrana ny tapaka tamin’ny fameloma-maso nataontsika. Koa manainga ny tomponandraikitra isan’ambaratonga sy ny mpikambana rehetra handray ny andraikitra tandrify ny tsirairay.

Hafatra ho an’ny vehivavy:
Ny Reny no fototry sy taratry ny firenena. Koa lohalaharana ny vehivavy amin’ny ady ataontsika satria misy fiantraikany amin’ny isan-tokantrano ny fahombiazana amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Entano àry ny vehivavy toa anao hiaraka hijoro handray andraikitra.

Hafatra ho an’ny Tanora:
Ry tanora, raiso an-tanana ny hoavinao. Entano ny tanora toa anao hiasa miaraka hahatrarana ny tanjona. Aza sodokan’ny fampanantenana sandoka avy amin’olona tsy mitombina amin’ny rariny. Mijoroa miatrika ny hoavinao!

Hafatra ho an’ny Tantsaha:
Isika tantsaha no ianteherana amin’ny famokarana. Koa entano ny tantsaha namana rehetra hiara-hijoro hitaky ireo ilaina rehetra (fotodrafitrasa, fandriampahalemana, masomboly, fitaovana, sy ny sisa…) hahafahana mihary sy mamokatra am-pitoniana sy am-pilaminana.

Hafatra ho an’ny sehatra tsy miankina:
Aoka izay ny ampihimamba na ny « monopole ». Aoka izay ny fanagiazan’ny olom-bitsy ny fandraharahana sy ny harem-pirenena. Aoka izay ny fibodoan’olona iray mibaiko ny Fanjakana hanangona ny loharanon-karen’ny Malagasy.
Takio ny fametrahana fitsipi-dalao mazava hisian’ny fitovian-jo, hahafahan’ny orinasa malagasy miasa an-kalalahana ao anatin’ny mangarahara, lavitra ny kolikoly.

Hafatra ho an’ny firaisamonim-pirenena:
Ankasitrahana ny ezaka sy ny asa efa nataonareo. Fa mbola tsy tratrantsika ny tanjona, koa andeha isika hifanome tanana amin’ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena hiara-hiady ho an’ny tombontsoam-pirenena sy ho an’ny vahoaka Malagasy. Hiaraka hijoro hatrany isika ho manda hiarovana ny marina sy ny rariny.

Hafatra ho an’ny Mpiasampanjakana
Ianareo mpiasampanjakana no mampandeha na tsy mampandeha ny raharaham-panjakana. Mijoroa ka aza manaiky ny tsy rariny miharitra ny fitotongan’ny fiainam-pirenena. Mijoroa, hiaraka isika ka isika no hanapaka ny hoavin’ny Firenena. Raiso ny fanapahan-kevitra, ndeha hiara-hiady hanala ny tsy mampandroso isika!

Hafatra ho an’ny avarapianarana
Mijoroa hanavotra ny firenena. Aoka tsy hiharitra ny fiforetana anaty ianareo (frustration), ndeha hivondrona hampandroso sy hanavotra marina ny Firenena.

Hafatra ho an’ny Foloalindahy
Ianareo sisa no mitana ny lakilen’ny fanavotana. Tsy afaka handroso isika raha tsy miaraka amin’ny Vahoaka ianareo. Miantso anareo izahay mba handray anjara amin’ny fampandrosoana miaraka ny Firenena.

Homba antsika Andriamanitra!’’