Lanzelo
Mijery baolina sisa ny Malagasy eto mahita ireto fozaorana manohy ny fifehezana ny fahefana sy fanamafisana ny rafitra handripahana ny fananana sy harempirenena. Tsy misy mahasakana azy amin’izany aloha hatreto. Raha ny ao am-pon’ny Malagasy maro an’isa dia toy ny tsy misy io fitondrana fozaorana ankehitriny io, izay averina fa napetraka tamin’ny fomba amboletra sy feno halatra, nampiasàna ny fifehezan’ireto lohampoza ny tampon’ny ny Fiarovampirenena sy ny Fitsaràna. Hitohy ve ny fitazànana sa ho sakànana ireto mpandroba sy mpambotry ny firenena Malagasy?
Tsy vitan’ny nanitsaka ny Lalampanorenena i Andry Rajoelina raha toa ka nilatsaka tamin’ny fifidianana filohampirenena ny volana desambra lasa teo, noho ny fizakàny ny zompirenena vahiny, fa ny hevitra sy paikady ratsy ao ambadika koa no tena manimbazimba ny fiarovampirenena mihitsy. Nazava nandritra ny fe-potoana nitondrany fa tsy voaaro ny zon’ny Malagasy eo amin’ny fananantany. Bodoin’ny vahiny tsotra izao ny tany miaraka amin’ny herin’ny vola, taratasy sandoka, herim-pamoretana sy mpahay lalàna, ka dia mora resy ny Malagasy olontsotra sy marefo. Tsy ny vahiny ihany anefa no mahita lalana ambany tany handroba ireo fananana fa ao koa ireo avara-patana akaiky ny fitondrana, ny akamakama, eny fa na dia hatramin’ny fiangonana aza.
Hanohy ny gaboraraka nataony izay dimy taona lasa izay i Andry Rajoelina, ary amafisiny izay rafitra hanabotriana ny Malagasy izay amin’ny fanendrena vazaha to azy ihany hitantana ny ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy Fanajariana ny tany. Tsy vitan’ny nanao fitantanana gaboraraka tao amin’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo i Franck Naina Andriantsitohaina, raha tsy hilaza fotsiny ny amin’ny resaka tsena, fako, lalana,… ny raharaha CNAPS,sns. Dia ho loza indray ny fahoriana miandry ny Malagasy amin’ity taona 2024, izay vao manomboka ity.
Hitohy ny fandrobàna fanananam-pirenena sy fanabotriana ny Malagasy. Ny mahazendana dia ireto lazaina ho solombavambahoaka toa mankato izao loza mihatra izao. Fa ao koa ireto mpahay lalàna sy ireo tandroka aron’ny vozona, izay toa miaro na mitazana ny papango mifoaka ny akoho kely.
Tsy misy antenaina ny amin’ny efa maty fanahy fa mila mitsangana, mijoro sy sahy ny Malagasy hanohitra ireo fahavalo.