Ny Valosoa
Mijoro, sahy ary miroso ireo raiamandreny avy amin’ny ARFM (Antenimieran’ny Raiamandreny sy Foko Malagasy), mitarika sy miantso ny Malagasy hiray hina hanafaka an’i Madagasikara ao anaty ity gejan’ny fanjanahantany ity hanangana firenena vaovao.
Rahampitso 6 febroary no manomboka ny fampiatoana ny raharaham-panjakana, ka “service minimum” no tokony ho ataon’ny mpiasam-panjakana. Mila mijoro ny sendikalista, ireo hery velona rehetra ary ny olompirenena ho tombontsoan’ny firenena. Fitakiana ao anaty fitoniana no atao. Fanatsaharana ny rà latsaka nanomboka ny taona 1947 no manomboka izao.
Manomboka eto Antananarivo ny hetsika rahampitso talata ary mitohy ny alarobia arahina hetsika fitakiana faobe. Nohamafisin’izy ireo fa tsy korontana no tadiavina fa fakana ny fahefana ho an’ny Malagasy. Tsy hisy ny fifandonana ary tsy fanonganam-panjakana no atao fa famerenena ny fahefana ho an’ny Malagasy tompontany.
Hoy ny raiamandreny Noël Rakotondrasoa, filohan’ny ARFM: “Tsy maintsy izay no lalana izorana satria raha tsy misy hetsika dia tsy afaka isika. Sahala amin’izany ny tamin’ny tolom-panafahana 1947, nisy ny famonoana olona, nisy ny fanatrehana ady mafana. Tsy maintsy miaraka miatrika ady isika fa tsy vitan’olombitsy io. Raha tsy maro no miray hina dia tsy ho tanteraka na oviana na oviana io.
Izay no antony hoe handao avotana ny tanindrazantsika. Fa rehefa avotra ny tanindrazantsika dia ho alamintsika ilay izy, diovintsika ny firenena, manangana fanjakana vaovao isika ary isika no manao azy.
Miantso ny sendikalista, ny Malagasy mahatsapa fa tompon’i Madagasikara sy tia tanindrazana izy ireo hiaraka hanamafy ny tolona atao. Iray ihany ny tanjona, dia ny amaranana izao repoblika faha-efatra izao hatramin’ny 29 marsa.
Ny sendika sy ny vondrona sendikaly, ny fikambanana rehetra, na mpanao politika na tsotra, dia angatahana ho tonga eny. Ary indrindra indrindra ireo raiamandreny izay mbola manina ny maha-malagasy azy sy mahalala fa marina izao zavatra atao izao, dia ho tong amaro any Antaninarenina.
Esory ao an-tsaina ny fieritreretrana hoe hangataka halalana amin’ny “préfet de police” ny tompony. Tsy mangataka halalana amin’ny “prefer de police” ny tompon’ny tany. Ny raiamandreny no mandidy manapaka, ny raiamandreny no miteny amin’ny tany sy ny fanjakana. Dia asaina ny vahoaka rehetra eny manomboka rahampitso. Fa raha mbola Malagasy manana raiamandreny, ka mahalala fa masina ity tanindrazana ity, tsy hisy hanana eritreritra hisambotra anay izany. Satria iza no hisambotra raiamandreny. Ny fisamborana anay dia midika ho fisamborana an’i Madagasikara satria foko no itondranay azy ity. Ny tahotra dia tsy misy na kely aza.”
Tsara ny mampatsiahy fa efa nisy ny fitetezana ireo foko sy faritra manerana ny Nosy ary nazahoan’ireto raiamandreny ireto tsodrano ho amin’ny fitarihana izao tolona izao.
MBS Youtube ‘https://www.youtube.com/live/f391NlT8yhk?t=370
MBS FB ‘https://www.facebook.com/share/v/WiHuE7EGc3Mpiiq6/?mibextid=WC7FNe