Figadràna roa ka hatramin’ny dimy taona an-trano maizina sy dimy ka hatramin’ny roapolo taona asa an-terivozona no miandry ny mpikambana ao amin’ny CENI noho ny hosoka natao teo anivon’ny fifidianana filohan’ny repoblika tamin’ny fihodinana faharoa.
Tsy nanara-dalàna ny CENI. Ny porofo rehetra amin’ny halabato faobe izay mipàka eran’I Madagasikara ary nomanina dieny mialoha dia efa nolazain’i Me Hanitra Razafimanantsoa. Fa ity iray ity amin’ny maha-fifidianana azy mihitsy toy ny tsy nisy fifidianana satria nanitsakitsaka ny lalàna ny CENI.
Ny bileta tokana no fototra maha-fifidianana ny fifidianana. Atao koa hoe “pièce maitresse de l’élection” amin’ny teny frantsay. Raha tsisy io dia tsisy ny fifidianana.
Tsy ara-dalàna anefa io bileta tokana io. Noho izany nanao fifidianana tamina bileta tokana tsy ara-dalàna ny Malagasy.
Loi organique 2018-008 article 120: « Tout bulletin unique comporte un numéro de série spécifique à chaque bureau de vote »
Ny bileta tokana izany dia tokony misy nomerao tokana izay mifandraika amin’ny biraom-pifidianana tsirairay arak any lalàna.
Ny andininy rehetra amin’ny lalàna dia tsy maintsy ampiarina. Ny “loi organique” dia lalàna faharoa manaraka ny lalam-panorenana ary tsy azo itarina na hoe atao “interpretation”, fa tsy maintsy ampiarina araka ny voalaza.
Ka ny CENI izany rehefa nandrafitra ny bileta tokana dia tokony nanaraka io andininy faha-120 io. Ny zavatra hita anefa dia tsy misy “numéro de série” ny bileta tokana, fa ny “souche” no misy.
Ny CENI anefa no nandrafitra ny bileta tokana. Ary avy eo dia nentin’ny filohan’ny CENI izy mihitsy no nandeha tany Afrika Atsimo niaraka tamin’ny teknisiana nitondra ny “maquette” ary nanatrika ny fanatontàna ny bileta tokana.
Ny filoha lefitra indray avy eo no nilaza fa rehefa vita dia atao anaty baoritra, hidina tsara, atao ambony “palette” mihidy tsara, dia misy toerana vitisivitsy andefasana azy hahafaha manaparitaka azy ireo any amin’ny faritra.
Rehefa tratra ny bileta tokana toy ny teny Ambohipo dia nanafatrafatra mihitsy ny filoha lefitran’ny CENI hoe natao mihitsy izy ity tsy ho sokafana raha tsy amin’ny 6 ora ny andron’ny fifidianana.
Rehefa nisokatra ny biraom-pifidianana dia tsikaritra fa tsy nisy numéro de série.
Nanao fanahy iniana izany ny CENI tsy nanisy numéro de série isaky ny bileta tokana.
Noho izany ny filohan’ny CENI, ny filoha lefitra sy ny mpikambana iray manontolo dia nanitsakitsaka ankitsirano ny andininy faha-120. Ary tsy misy azo lavina izany.
Ny loza dia nasaina nifidy ny Malagasy tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Bileta tokana dimy tapitrisa no nomena ny Malagasy hifidy. Ny fifidianana faharoa izany no natao tamina fitaovana manitsakitsaka ny lalàna noho ny nataon’ny CENI, ary nasain’ny CENI nanitsakitsaka ny lalàna koa ny mpifidy dimy tapitrisa izay tsy mahalala.
Nanitsakitsaka ny lalàna izany ny mpikambana rehetra ao amin’ny CENI. Koa tsy hirahiraina fotsiny ny lalàna fa mila ampiarina. Ary eto sady tsy nampiarina ny lalàna no nitsakitsahana. Nahafahan’ny olona ratsy saina nampiasa ny bileta tokana nahafahana nanao ny halabato faobe.
Tamin’ny fotoana nitsanganan’ny DG tranoprinty nasionaly dia nitsangana ny filoha lefitry ny CENI Thierry Rakotonarivo, nilelalela tamin’ny haino aman-jery, nandrangaranga sazy an-trano maizina hoe: “izay rehetra tratra amin’ny fanaovana hosoka amin’ny fifidianana dia mety higadra roa ka hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina”.
Dia raisina amin’izay izany izay teniny izay. Izay rehetra tratra nandray anjara tamin’ny halabato faobe dia mety higadra roa ka hatramin’ny dimy taona an-tranomaizina. Dia iny tenin’i Thierry Rakotonarivo ihany izany no ho ampiarina amin’ny CENI iray manontolo manomboka androany.
Miara-mampita – Fernand Cello – Fidèle Razara Pierre – Nivahiny Rolly Mercia
Part.I
Part.II