Helisoa
Efa antomotra ity ny fifidianana filohan’ny Repoblika vaovao hitantana ny firenena indray, ao anatin’izany, mandeha avokoa ny paipaika maloto ataon’ireo tsy maty voalavo ankibo amin’ireo kandida izay heveriny fa matanjaka . Lasibatra amin’izany ny kandidan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) ny filoha Marc Ravalomanana , ka ny ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana sy ny mpiara-miasa aminy no fitaovana entin’ireo tsy mataho-tody handotoina an’i Dada.
Mandeha be amin’izao fotoana izao ny resaka fa hoe nivarotra tany eny Analamahitsy misy ny CEG ny ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana, atao laza-masaka amin’ny haino aman-jery sy ny gazety ery io vaovao io tato anatin’ny andro maromaro izay . Amin’izao, tampina ny daomin’ny mpanaratsy fa tamin’ny taona 1998 io tany io dia efa namidin’ny tompon’andraikitry ny CUA tamin’olon-tsotra.
Marobe ny fanaratsiana atao amin’ny filoha Marc Ravalomanana, fa ny tsy fantatr’ireo mpanaratsy dia vao mainka mampitombo ny lazan’i Dada izany. Mbola tsy adinon’ny vahoaka manerana an’i Madagasikara ny fampandrosoana nentin’ny fitondràna Ravalomanana tao anatin’ny 7 taona nitantanany ny firenena , ka ho sasapaoana eo ireo milaza azy ho mahay. Raha tsy nisy ny fanonganam-panjakàna tamin’ny taona 2009 nataon’ny fahavalom-pirenena dia efa lasa lavitra i Madagasikara , saingy izay no misy dia very teo indray i Madagasikara efa saika namiratra .
Ny marina tsy mba maty ka na ho lotoina aza ny filoha Marc Ravalomanana dia vao mainka izy hamiratra , volamena nilatsaka ambovoka, tsy hilaozan’ny soa tsy hamiratra.