Andry Tsiavalona
Nanomboka ny Alarobia 30 Janoary 2019 lasa teo ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Antenimiera ka haharitra fito andro izany. Ny tena antony dia tapitra ny 5 Febroary ho avy izao ny fe-potoana iasan’ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity. Tsiahivina anefa fa sivifolo andro mialohan’ny datin’andro hanatanterahana ny fifidianana no hiantsoana ny mpifidy handatsabato. Mbola mety ho tratra ihany izany kanefa efa misy teti-dratsy ara-politika noketrehin’ny nahazo fahefana ankehitriny hihatrehana izany fifidianana izany. Volana Mey no misy fivoriana ara-potoana voalohany ny Antenimiera, efa namoaka daty hantanterahana izany ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI) dia ny 27 Mey 2019 izany.
Niaraka andro iray ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka tamin’ny taona 2013 ka tsy nisy araka izany ny fahabangan’ny andrim-panjakana. Araka ny lalàna dia sivifolo andro mialoha no hiantsoana ny mpifidy izany hoe mitombona tsara izany io daty 27 Mey 2019 saingy ny volana Mey no fivoriana ara-potoana voalohan’ity andrim-panjakana ity, araka ny Lalàmpanorenana, kanefa Jona na Jolay vao hivoaka ny voka-pifidianana koa tsy hisy andrim-panjakana mpanao lalàna izany valo volana fara-fahakeliny.
Ny tena votoatin’izao fivoriana tsy ara-potoana izao moa, araka ny iaraha-mahalala, dia ny fangatahana amin’ireo depiote hanome fahefana ny filankevitry ny minisitra sy ny filoham-pirenena, hamoaka lalàna amin’ny alàlan’ny “didy hitsivolana” (Ordonnance). Efa nanambara anefa ny filohan’ny Repoblika, araka ny heviny manokana, fa ho teloambiroapolo (23) no isan’ny faritra fa tsy ho roambiroapolo (22) intsony. Tsy ho fidian’ny vahoaka intsony ihany koa izay ho lehiben’ny Faritra fa ho governora tendrena amin’ny filankevitry ny minisitra. Mifanohitra tanteraka amin’ny Lalàmpanorenana anefa izany, ka tsy maintsy hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka ary inoana fa izay no nampitsiry ny tetika politika hangalana ny fahefana hamoaka lalàna amin’ny alàlan’ny didy hitsivolana. Vakiana fotsiny araka izany fa efa fiomanana amin’ny fifidianana ho avy rehetra izany tetika izany.
Azo antoka ihany koa fa raha mahazo io fahefana io ny mpanatanteraka dia mety ho any amin’ny taona ho avy any 2020 vao hisy ny fifidianana solombavambahoaka ka hanao izay danin’ny kibony amin’ny fitantanana ny Firenena izao fitondrana izao toy ny tamin’ny tetezamita indray. Anisan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny faritra (collectivité décentralisée) fa tsy fanapariaham-pahefana (adminisitration déconcentrée). Raha ho governora izay ho lehiben’ny Faritra, inona izany no hiantsoana ny lehiben’ny Faritany satria eo ambany fifehezany ireo lehiben’ny faritra araka ny voarakitra ao anaty Lalàmpanorenana.
Ny tena manahirana amin’izao fametrahana olona ho eo amin’ity rafitra ara-politika ity izao dia efa misy miady ho amin’izany toeran’ny governora izany sahady ireo mpanao politika misora-tena ho tompo-tanàna sy akaiky ary nanohana ny filohan’ny Repoblika tamin’ny fifidianana, ka mendrika ho tendreny. Tsy misy mahalala izay mason-tsivana entina hisafidianana izay ho tendrena governora fa ny azo antoka fa hitranga dia tsy fampandrosoana ny faritra sy fampivoarana ny fiainan’ny mponina no hiadiana ny toerana, fa ny hahazoana ny seza hamoretana ny mpiray firenena sy hangoronan-karena toy izay nitranga nandritra ny tetezamita. Ny anarana “governora” aza dia efa mampatahotra satria efa mitory sahady fa tompon’ny fahefana sy masi-mandidy ao amin’ny faritra hiadidiany izy araka ny fantatra ara-tantara.
Tany tan-dalàna, hono, ity Nosy ity ka raha hatsipin’ny depiote any amin’ny filohan’ny Repoblika tokoa ny fahefany maha mpanao lalàna azy dia tsy ho sempotry ny gazy mandatsa-dranomaso intsony izay mianan-kendry hanohitra ny tsy rariny sy hitaky ny fahamarinana ary tsy hanaiky ny fivarotana Tanindrazana, fa ho voky mangahazo sy hihiboka ao an-tranomaizina mandra-piposahan’ny fahazavana sy ny fampanjakana ny demokrasia marina, koa dia tandindonin-doza tanteraka ny firenena satria manangasanga ny jadona hataon’ny fitondra Rajoelina.