Mbola ho ela i Madagasikara vao ho tafarina amin’ny kolikoly fa resaka sy fihetsiketsehana no betsaka. Tokony ho haingana izany raha tsy nisy ny fanonganam-panjakana sy ny hala-bato be vata, satria natao izay fomba tsy hahalany ilay olona tena niady ary miady sy mpiady amin’ny kolikoly dia i Marc Ravalomanana.
Mikasika ny raharaha koliloly: tokony hatao ny fanadihadiana fa toa olona akaiky an-dRajoelina hatry ny ela ny vadin’ny DG-n’ny BIANCO amin’izao fotoana izao, ka izay no mahatonga ny fanenjehana ataon’ny BIANCO toa misy fironana pôlitika.
Olona ambony nanao fanodinkondinana diplôma ve mbola ho lany Ministra. Matoa anie nisy izany dia nisy kolikoly eh. Koa aiza ny BIANCO. Sa raha amboan’olona dia kary raha vandana fa raha ny ahy dia saka raha hita izao aza fa vandana.
Maninona moa raha alefa any amin’ny BIANCO ny taratasy fitoriana rehetra rehetra natao tany amin’ny HCC nandritra ireny fifidianana ireny dia ho hita eo ny hafitsony. Matoa mantsy ireny fifidianana ireny hitam-poko hitam-pirenena ary naha velon-taraina ny olona maro fa nisy hosoka dia nisy kolikoly be vata tao. Avy aiza ny vola be nampiasain-dRajoelina tamin’ireny no odiana fanina.
Izao dia re fa nentin’ny mpiasa ambony tao amin’ny ministeran’ny serasera mirevy ny fiaram-panjakana 4×4 miisa 2 ka potika. Nefa avo vava ery ny Ministr’izany serasera izany fa hanasazy izay manenjika azy. Sao misy endrika risoriso ihany koa ny fanapenam-bava ny mpanao gazety.
Ny miaramila sy zandary ary polisy nasaina nandrava mpianatra mitaky ny zony teny Vontovorona toa nomena “indemnité”, fa angaha tsy asany no manao izay hampisy fahalemena. Toa mbola midika kolikoly koa izany. Ny polisy, nesorina teo am-pelantanany ny fanaovana “passeport” sy ny fanaovana fisavana taratasin’ny fiara. Tena marina fa nisy risoriso be tokoa ireo sampandraharaha ireo. Fa saingy raha oharina amin’ny risorisom-pifidianana olona dia tsy misy dikany. Nilaza ireo sendikan’ny polisy fa vonona hanarina ny lesoka; ny tena marina tsy fantatry ny pôlisy dia fihetsiketsehana ihany no betsaka mba hilazana fa tena miady amin’ny kolikoly ny fanjakana. Ka ny pôlisy aloha no azo nanaovana an’izay dia natao. Fa ny tena kolikoly goavana tsy sahy kitihana. Jerena daholo izao “fusible” rehetra izao fa tsy mahatakon-javatra eo anatrehan’ny vahoaka akory izay.
Fehiny: raha tsy ny mpitondra fanjakana ambony any no manome modely, ka esorina ny ministra hita fa nanao kolikoly tany aloha tany, saingy tsy fantatra teo ampanendrena azy. Izany no tena lesona ho an’ny be sy ny maro. Raha tsy izany dia resabe fostiny ihany ny ady amin’ny kolikoly. Esory ireo olom-panjakana ambony nanimba fiaram-panjakana nentiny nirevy tao amin’ny ministeran’ny serasera dia ho hita soritra fa miroso any amin’ny fanjakana tsara tantana ny fanjakana. Fa raha izao fisehoan-javatra izao aloha dia mbola ho ela vao ho resy ny kolikoly. Ary ny tena loza dia ity no sary hita aloha hatreto:” Ianareo tsy mahazo manao kolikoly fa izahay mahazo manao. Ka izay tratranay dia manampoiza fa alaina baraka mba entinay hanafenana ny hataonay. Koa raha misy miteniteny anay dia ho gadrainay itadiavanay ny fomba rehetra hanagadrana sy hanampenana ny vavany”.
Raharizafisoa Zo
Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao