HO AVY INDRAY NY FIFIDIANANA

Indreny fa tazana mbola hirotsaka
Ireo efa fangoloka sy kapotsaka
‘Zay efa naloan’ireo vahoaka,
Kanefa tsy mety fa mbola mihoaka.

Dia mody miseho mba malala-tanana,
Sy tena mba hoe mahafoy fananana.
Kanefa ireo vola izay nozinara
Dia azony tamin’ny makarakara.

Raha vao misy hetsika tato ho ato,
Dia indro miseho ry “mpitari-bato”
Izay efa malaza ho vilam-bava
Sy tena sokajin’ireo mpandrava.

Satria ny hiseho no hany mahamaika,
Dia hainy ny tetika sy ny paika:
Ny vola no afafiny hividianana
Ireo malahelo sy ireo tsy manana.

Koa aza mba mino na manantena
Fa hoe mbola hivoatra ny firenena,
Raha toa ny tranainy efa ratsy laza
No mbola hameno an’i Tsimbazaza.

SEDERA RAVALISON (12-03-19)