AKON’I MORONDAVA

Tena kinga ery ‘nareo nilaza sy namoaka didy
Fa tsy azonay kapaina irony hazo sarobidy.
Saingy moa voalanjalanja ny fepetra toy izany?
Hanao ahoana ny hanjo anay madinika sy ambany?

Fa ny anay ny fivelomana dia ny fandrafetam-panaka,
Ary eo ny mpianakavy: na ny vady na ny zanaka.
Saingy izao, ankehitriny dia nilatsaka ny didy
Ka hiato ny asanay, mangidy izany ka mangidy!

Ny mpibizina andramena, ireo no tokony hosakanana,
Fa andeha tsimbino kosa ireo mpiangaly ny asan-tanana.
Ny mpandrafitra madinika, mila akora ampiasaina.
(Tsy ho ripany ny ala f’izy anie ka mba misaina!)

Ireo mpibizina voamboana sy mpanondrana andramena,
Ireo no tena ambara tsotra ho fahavalom-pirenena,
Ka sambory sy gadrao na izy ireo na ny “akolitany”
F’efa be ny fanimbana sy ny zava-dratsy vitany.

Ny mpandrafitra madinika, andeha hatòny sy jereo
Fa kely hery sady osa ka tsy mahaloa-peo.
Dia aza atao iray kitapo ireo jiolahy tsy mety fay
Sy ny mitrongy vao mba homana, mafy ady toa anay.

DADAN`I ZINA (15-03-19)