EDITO 16 Marsa – Fifidianana hadio tokoa ve?

Rajaonarimpanontsana

Hadio sy hangarahara ve ity fifidianana solombavambahoaka manaraka ity, sa dia ho feno hosoka sy hala-bato tahaka ny fifidianana filoham-pirenena teo ihany? Iaraha-mahalala mantsy fa nisy dia nisy tokoa ny tsy fahatomombanana nandritra ireny ary na ny CENI nikarakara azy aza dia niaiky fa maro ny lesoka. Ny kandidan’ny HVM sy ny TIM no tena lasibatra tamin’ireny ary dia voatery nanaiky tsy fidiny ny voka-pifidianana mba hisian’ny filaminana sy ny fahatoniana eto amin’ny firenena. Amin’ity indray mitoraka ity ary ve izany dia tsy ho hita ao anaty lisitra intsony ireo efa nodimandry sa mbola hifoha afaka hifidy? Izany no santionany nanaovana hosoka teto. Mbola eo koa ny mpifidy iray manana kara-pifidianana maro. Nisy tamin’izy ireny notaterina tamin’ny fiara mihitsy mitety biraom-pifidianana ary dia mbola afaka mandatsa-bato indray. Tsaroan’ny mpanara-baovao fa nisy bileta tokana maro nariana teny amoron-drano, teo ny bileta tsy misy sonia tao anaty Urnes Transparentes na vata mangarahara. Nahafahana nangala-bato koa ny fanisana ny isam-bato tany amin’ny biraom-pididianana sasany satria tsy hitan’ny maso mazava izay marika tao amin’izany bileta izany fa izay voatonon’ny mpanisa vato dia izay, ny andro nanaovana izany rahateo dia amin’ny alina aorian’ny fahataperan’ny fifidianana. Raha ny fampielezan-kevitra indray dia tsy mazava tsara amin’ny vahoaka ilay hoe fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana sy ny tena fanombohany. Ambara fa azo atao ny mampilaza ny mpifidy fa hirotsaka ranona sy ranona fa tsy azo atao kosa ny manambara mivantana hoe FIDIO izy. Ny zava-misy anefa dia efa samy manolotolotra sy manambitamby zavatra hoan’ny mponina ny kandida sasany fa indrindra ny MAPAR sy ny TGV ary ireo fikambanana mpiaradia aminy. Mbola eo koa ny famafazana vola tsy toko tsy forohana mba tsy hilazana hoe mandeha sahady ny fividianan’olona. Aiza ho aiza ny Bianco sy ny Samifin manoloana ireo, sa dia hanao masobe tsy mahita indray?